Fiteny alzasiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny alzasiana dia ny vondron' ny fiteny jermanika rehetra ampiasaina ao Alsace. Atao hoe Elsässisch, Elsåssisch na Elsässer Dytsch izy amin' ny teny alzasiana. Tsy fiteny tokana izy io fa tohim-piteny anjakan' ny fitenim-paritra alemanika any Rhin Ambony, izay mifandray akaiky amin' ny fiteny soisa alemàna. Tamin' ny taona 2012 dia 43 % amin' ny mponina alzasiana no nilaza ny tenany ho mpiteny fitenim-paritra alzasiana. Any amin' ny 800 000 no isan' ny olona miteny alzasiana.