Lorraine

Avy amin'i Wikipedia
Lorraine

I Lorraine dia faritra ara-kolontsaina sy ara-tantara ao amin' ny tapany avaratra-atsinanana amin' i Frantsa, ao amin' ny Faritr' i Grand Est ankehitriny. Ny anarany dia avy amin' ny anaran' ny fanjakana tamin' ny Andro Antenatenany atao hoe Lotharingia (taona 855-959), izay nahazo anarana avy amin' ny an' ny emperora Lothair I na mpanjaka Lothair II. Taty aoriana dia nofehezina amin' ny anarana hoe Dokean' i Lorraine ilay faritra talohan' ny nampidiran' ny Fanjakan' i Frantsa azy ho anisan'ny taniny tamin' ny taona 1766.

Nanomboka tamin' ny taona 1982 ka hatramin' ny Janoary 2016, i Lorraine dia faritra ara-pitantanana any Frantsa. Tamin' ny taona 2016, tao anatin' ny fanavaozana ny fandaminana dia lasa ampahany amin' ny Faritra Grand Est vaovao i Lorraine. Amin' ny maha faritra ao Frantsa ankehitriny an' i Lorraine dia misy departemanta efatra izy, dia i Meurthe-et-Moselle, i Meuse, i Moselle ary i Vosges (araka ny fomba fijery ara-tantara momba ny Departemantan' i Haute-Marne izay ao amin' ilay faritra), ahitana kaominina miisa 2 337. I Metz dia prefektioram-paritra. Ny tangoron-tanàn' i Lorraine lehibe indrindra dia i Nancy, izay nivoatra nandritra ny taonjato maro amin' ny maha foiben' ny dokea azy.

I Lorraine dia manamorona an' i Alemaina, i Belzika ary i Loksemborga. Ny mponina ao dia antsoina hoe Lorrains sy Lorraines amin' ny teny frantsay ary 2 356 000 eo ho eo ny isan' izy ireo.