I OnilahyFizoran' i Onilahy mankany amin' ny helodranon' i SoalaraNy helodranon' i Soalara ivarinan' i OnilahyNy faritanin-dranon' i Onilahy
I Onilahy na Oñelahy na Oñilahy dia renirano any amin' ny faritra atsimo-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny faritanin' i Toliara. Mahatratra 31 600 km2 ny lemaka azony sy ireo rano anompo azy tondrahana, 145 m3/s ny habetsahan' ny korian-dranony ary 400 km any ho any ny halavany ary any amin' ny 1 000 m any ny haambon' ny toerana ipoiran' ny loharanony any amin' ny distrikan' i Betroka. Izy no mametra avy ao avaratra ny faritra onenan' ny Mahafaly.