Aller au contenu

Sakiela

Avy amin'i Wikipedia
Ny anrkanjely Sakiela

I Sakiela dia arkanjely ao amin' ny filaharan' ny kerobima, ao amin' ny anjelôlôjia kabalistika sy kristiana. Ny anarana hoe Sakiela dia niseho tamin' ny voalohany tao amin' ny grimoara tamin' ny faramparan' ny taompolo 1500 antsoina hoe Heptameron. Amin' ny teny geezy izy dia atao hoe ሳቁኤል. Ny dikan' ny anarany dia "izay manarona an' Andriamanitra", ary mifandray amin' ny avan' ny zôdiaka Mpitifitra amin' ny Tsipìka (Sagittarius). Ny andro Alakamisy ny androny ao amin' ny herinandro, ny toetrany hafa dia ny harena sy ny fiantrana. Raha ny ankamaroan' ny tahirin-kevitra dia i Sakiela no mitarika ny andro Alakamisy, misy koa ny mampifandray azy amin' ny andro Alatsinainy na Zoma. Ampifandraisin' ny rehetra amin' ny planeta Jopitera izy; ohatra, ny anjelôlôjian' ny New Age dia milaza fa azo tokavina amin' ny raharaha misy resaka vola, lalàna, pôlitika ary fivavahana izy. Ny tombokaseny dia hita ao amin' ny boky nosoratan' i Francis Barrett, The Magus, fanangonana tamin' ny taonjato faha-19. Izy io koa dia hita ao amin' ny asasoratra tamin' ny taonjato faha-16, The Complete Book of Magical Science.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  1. "Tree of Life:Astrology - Intelligences of the Planets", in Thelemaopedia
  2. 2,0 et 2,1 "Tree of Life:Astrology - Spirit of the Planets", in Thelemaopedia