Aller au contenu

Haniela

Avy amin'i Wikipedia
Ny arla,jely Haniela

I Haniela, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Hananela, Anaela, Hanaela na Aniela, dia anjely amin' ny lovantsofina sy anjelôlôjia jiosy, ary matetika izy no tafiditra ao amin' ny lisitra ny Arkanjely Fito, Anjely fiton' ny Famoronana. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe חַנִּיאֵל / Ḥannīʾēl, "Andriamanitra no fahasoavako"; fa amin' ny teny kôpta kosa dia: ⲁⲛⲁⲛⲓⲏⲗ / Ananiēl; ary amin' ny teny arabo: عنيائيل / 'Anya'il. Matetika i Haniela dia mifandray amin' ny planeta Venosy, amin' ny andro Zoma, ary izy no arkanjelin' ny sephira (hery mpamorona) Netzach ao amin' ny Kabala. Ny anarana Haniela dia avy amin' ny teny hebreo hoe חֵן / Ḥēn, izay midika hoe "fahasoavana", "hatsaran-tarehy" (toetra mifandray amin' i Venosy) + ny tovana -ʾĒl, izay midika hoe "Andriamanitra". Mitovy amin' ny anarana fenisianina hoe "Hannibal" izy io. I Haniela dia iray amin' ny arkanjely voarakitra ao amin' ny Sigillum Dei Aemeth ("tombokasen' Andriamanitra") an' ny Dr. John Dee sy Edward Kelly.

Mikarakara ny olombelona amin' ny sehatry ny fihetseham-po sy ny filan' ny nofo izy. Izy no governoran' ny Tany Faharoa sady tompon' andraikitra amin' ny olona avy amin' ny Tany Voalohany. Matetika i Haniela no mifandray amin' ny emeraoda sy mifandray amin' ny raozy (mariky ny hatsaran-tarehy). Matetika koa izy no aseho amin' ny endrika lahy sy vavy miaraka amin' ny elatra volondavenona lehibe. Manao akanjo maitso emeraoda izy ary mitondra fanilo volontany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  1. "Tree of Life:Astrology - Intelligences of the Planets", in Thelemaopedia
  2. 2,0 et 2,1 "Tree of Life:Astrology - Spirit of the Planets", in Thelemaopedia