Aller au contenu

Apôlôna (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Apôlôna ao Belvedera

I Apôlôna, ao amin' ny fivavahana grika tamin' ny Andro Taloha, dia andriamanitry ny zavakanto, ny hira, ny mozika, ny hatsaran-dehilahy, ny tononkalo ary ny hazavana. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἀπόλλων / Apóllôn, fa amin' ny teny latina kosa dia Apollo.

Izy no mpitarika ny Mosa sivy (grika: Μοῦσαι / Moûsai). Andriamanitry ny fanadiovana sy ny fanasitranana ihany koa i Apôlôna, sady afaka mitondra pesta amin' ny tsipìkany; farany, izy dia anisan' ny andriamanitra lehibe mahay faminanian-tsikidy, zahan' ny olona, ankoatra ny toerana hafa, tao Delfôy, izay ampitan' ny Pitia (Πυθία / Pythia) tao Delfôy (Δελφοί / Delphoí) ny hafatra avy aminy. Nanome voninahitra azy koa ny Rômana, izay nandray azy io haingana nefa tsy nanova ny anarany. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. dia noraisin' izy ireo izy noho ny fananany hery manasitrana ary nananganan' izy ireo tempoly maro.

Matetika izy no aseho miaraka amin' ny tsipìkany sy ny zana-tsipìkany, na miaraka amin' ny sitara (zavamaneno), na ny lira (karazana lokanga): nantsoina hoe "sitareda" izy noho izany. Antsoina koa hoe "mosageta" ("mpitarika ny mosa") izy. Ny anarana hoe Lôksiasy ("Miolaka"), dia nomena azy noho ny faminaniana avy aminy manana hevitra miroaroa. Miseho ao amin' ny fedrà grika maro izy.

I Apôlôna dia lasa andriamanitra masoandro, mpiaro ny mozika sy ny zavakanto, tamin' ny Andro Antenatenany. Tamin' ny taonjato faha-19, ary indrindra tao amin' ny (Die Geburt der Tragödie aus dem Geiste der Musik) ("ny Fahaterahan' ny Loza avy amin' ny Fanahin' ny Mozika") nosoratan' i Friedrich Nietzsche, dia naneho ny saina sy ny fahazavana ary ny filaminana, izay heverina ho toetran' ny "fisainana grika", mifanohitra amin' ny fihoaram-pefy sy ny hafanam-po diônisiaka. Noho izany dia nisy nanoratra momba azy fa izy no "grika indrindra amin' ny andriamanitra rehetra" ary "tsy nisy andriamanitra hafa nanana anjara asa mitovy tamin' izany teo amin' ny fampivoarana ny fomba fiaina grika". Mbola anisan' ny andriamanitra nanorenana tempoly betsaka indrindra sy nanaovana fivavahana be indrindra izy.