Aller au contenu

Neptiona (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Neptiona

I Neptiona ndia andriamanitry ny ranomamy sy ny ranomasina tao amin' ny fivavahana rômana. Izy no mitovy amin' ny andriamanitra grika Pôseidôna. Amin' ny lovantsofina nalaina tahaka amin' ny Grika dia rahalahin' i Jopitera sy Plotôna izy; ireo rahalahy ireo dia mitarika ireo fanjakan' ny lanitra, ny tontolo eto an-tany (anisan' izany ny tontolo ambanin' ny tany), ary ny ranomasina. I Salakia no vadiny.

Nisy sarin' i Neptiona amin' ny môzaika rômana, indrindra fa ny tany Afrika Avaratra, dia nandray ny akon' ny fenitra helenistika. Azo inoana fa nampifandraisina tamin' ny loharanon-dranomamy talohan' ny ranomasina izy. Sahala amin' i Pôseidôna, dia nivavahan' ny Rômana ho andriamanitry ny soavaly koa izy, amin' ny maha Neptunus equestris (mpiaro ny hazakaza-tsoavaly).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]