Aller au contenu

Merkiora (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' ny andriamanitra Merkiora

I Merkiora na Merkoriosy dia andriamanitry ny varotra ao amin' ny fedrà rômana. Nanjary andriamanitry ny mpangalatra sy ny fandehanana lavitra ary iraky ny andriamanitra hafa koa izy, rehefa nampitovina tamin' ny Hermesy grika. Ny anarany dia mifamatotra amin' ny teny latina hoe merx izay midika hoe hoe "varotra" na "karama". Mpiaraka amin' ny mpandeha lavitra izy izay andriamanitra mpitarika ny fanahin' ny maty amin' ny diany farany mankany ankoatra. Ny mari-toetrany mahazatra dia ny kitapom-bola, izay matetika tazonina amin' ny tanana, ny satroka petasôsy, ny tehin' ny mpitondra hafatra kadokiosy, ny kapa misy elatra ary koa ny akoholahy sy/na ny osilahy. Nankalazaina isaky ny 15 Mey izy, indrindra amin' ny fety atao hoe Merkoralia.