Malaoỳ

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Malawi)
Republic of Malawi ((en))
Dziko la Malaŵi rw
Repoblikan'i Malaoy ((mg))
Sainan'i Malawi Mari-piandrianan'i Malawi
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Unity and Freedom
(Firaisana sy Fahalalahana)
Teny ofisialy Fiteny anglisy, fiteny chichewa
Renivohitra Lilongwe
13° 57′ S, 33° 42′ E
Tanàna ngeza indrindra Blantyre
Fitondrana sy governemanta
 - Président
Repoblika
Lazarus Chakwera
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 99
118 844 km²
> 20 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 67
13 931 831 mpo.
107 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Malawita
Sandam-bola Kwacha malawita (MWK)
Faritr'ora UTC +2
Hiram-pirenena Mlungu salitsani malawi
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+265

I Malaoỳ dia firenena any amin' ny faritra atsimo ao Afrika na koa ao Afrika Atsinanana, tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 118 484 km², eo anelanelan' i Môzambika sy i Zambia, ary i Tanzania. Voafaritry ny farihy Malawi na farihy Nyassa izy, farihy fahatelo aty Afrika amin' ny velarany, mandrakotra ampahadimin' ny velaran' i Malaoỳ ny farihy Malawi ary betsaka ny renirano mivarina ao. Atao hoe Malaoita na Malaoiana ny vahoakan' io firenena io.

Ny fiavian' ny anarana hoe Malaoỳ (avy amin' ny anaran' ny farihy, amin' ny fiteny banto) dia tsy mazava tsara; lazaina fa avy amin' ny mponina any atsimon' i Malaoỳ na lazaina fa maneho ny hazavan' ny masoandro rehefa miposaka eo amin' ny farihy (izay aseho eo amin' ny sainam-piren' i Malaoy).

Firenena be tendrombohitra i Malaoỳ. Ny ampahany be atsinanana amin’ ny taniny dia misy ny farihy Malawi, izay farihy lehibe fahatelo aty Afrika.

I Malaoỳ dia iray amin’ ny firenena misy mponina be hakitroka indrindra aty Afrika, ary ny ankamaroan’ ny mponina dia monina any ambanivohitra. Kristiana ny ankamaroan’ ny vahoala malaoita.

Ny fambolena no iankinan’ ny toekaren’ i Malaoỳ, nefa ianjadian’ ny fiovaovan’ ny toetrandro, indrindra ny haintany, izany fambolena izany.

Tamin’ ny taona 1964 no nahazoan’ i Malaoỳ ny fahaleovan-tenany raha nozanahin’ ny Britanika izy talohan’ izany. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth i Malaoỳ ary ny fiteny anglisy sy ny fiteny tsitseoa no fiteny ôfisialiny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]


Kôntinenta eto an-tany