Sodàna
I Sodàna na Repoblikan' i Sodàna dia firenena ao Afrika Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena avy ao avaratra-atsinanana izy sady mamakivaky azy avy any avaratra mianatsimo ny lohasaha sy ny onin' i Nily. Manana velarana mirefy 1 886 068 km² i Sodàna. I Khartoum no renivohiny. Atao hoe Sodaney ny vahoakan' ity firenena ity.
Mamaritra azy avy ao avaratra i Ejipta, ao atsinanana i Eritrea, ao atsimo i Kenia sy i Oganda ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary ao andrefana ny Repoblikan' i Afrika Afovoany sy i Tsady ary i Libia.
Firenena anjakan' ny tany efitra i Sodàna, ka zava-dehibe indrindra aminy ny rano: ny ony Nily no mahalonaka an' ireo lohasaha maro. Ny ampahany be amin' ny tanin' i Sodàna doa tondrahan' ny onin' i Nily. Ao avaratra, andaniny sy ankilan' i Nily, dia ahitana ny tany efitr' i Libia (ilany andrefana), izay zarazarain' ny lembalemba maro, sy ny tany efitr' i Nobia (ilany atsinanana), izay fefen' ny tandavan-tendrombohitra amin' ny morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena. Ao afovoan-tany no ahitana an' i Sahely izay vakivakin' i Nily Fotsy sy i Nily Manga ary i Atbara. Ao andrefana no ahitana an' i Darfour, izay faritra be tendrombohitra sy ahitana lembalemba karankaina. Miovaova arakaraka ny faritra ny toetany ao Sodàna: toetany karankaina an-tany efitra ny ao avaratra, toetanin-jana-pehin-tany ny ao afovoany ary toetanim-pehiben-tany be orana ny atsimo.
Mizara ho vondrona lehibe roa lehibe ny vahoaka sodaney, dia ireo vahoaka manaraka ny finoana silamo (75 %) izay monina ao avaratra sy ao afovoan-tany, sy ireo vahoaka kristiana sy mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana ao atsimo.
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren’ i Sodàna. Izy no firenena voalohany mpamokatra ny gôma arabo izay ampiasaina amin' ny fitehirizana voankazo mamy nahandroina na amin' ny fanamboarana ranomanitra. Simban' ny ady an-trano anefa izany toekarena izany nanomboka amin' ny nafazoany ny fahaleovan-tena tamin' ny taona 1956. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Sodàna.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany