Hankany amin'ny vontoatiny

Infinitif présent

Avy amin'i Wikipedia

Ny infinitif présent dia filazam-potoana ao amin' ny filaza tsy mitanisa (mode infinitif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay ampiasaina ho toy ny anaran' ny matoanteny mbola ivelan' ny fitanisana (tsy iharan' ny mpandray anjara lazaina) sady manambara fanehoan-javatra tsy efa (tsy toy ny infinitif passé). Matetika izy no endriky ny infinitif izay misahana ny anjara asa azon' ny anarana sahanina ao amin' ny fehezanteny, ka anisan' izany ny anjara asa lazaina, famenon' ny entimilaza (fameno iharana), famenon' ny fehezanteny (fameno toe-javatra), sns. Amin' ny fandrafetana fehezanteny sasany dia afaka misolo ny filazam-potoana amin' ny endriky ny fanehoan-javatra tsy efa izy, toy ny présent de l'indicatif, futur simple, imparfait de l'indicatif, conditionnel présent, subjonctif présent, impératif présent, sns.

Ohatra

  • J’aime chanter sous la pluie.
  • Il préfère lire des romans historiques.
  • Avant de partir, n’oublie pas tes clés.
  • Voyager est une passion pour beaucoup de gens.
  • Manger sainement est important pour la santé.
  • Ne pas marcher sur la pelouse !
  • Quelle joie de retrouver ses amis !

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]