Futur antérieur
Ny futur antérieur dia filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra (mode indicatif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay ampiasaina amin' ny firesahana zavatra vita alohan' ny fotoana iray voatondro na alohan' ny fisehoan-javatra iray hafa samy ao amin' ny hoavy. Mety hampiasaina amin' ny fikendrena hafa ny futur antérieur, toy ny tombantombana momba ny lasa na ny fitsipahana ny filazana iray momba ny lasa. Manana ny hevitry ny fanehoan-javatra efa ny futur antérieur.
Futur antérieur ilazana ny fahavitana amin' ny hoavy
[hanova | hanova ny fango]Fahavitana tanteraka amin' ny hoavy
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina hilazana ny fahavitana tanteraka sy azo antoka amin' ny hoavy ny futur antérieur.
Ohatra:
- Est-ce que Jean aura fini son papier pour demain ?
- Tu ne l'y trouveras pas. Il sera parti avant ton arrivée.
- Il aura atteint le sommet de cette montagne à midi.
Fahavitana haingana dia haingana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina hilazana ny fahavitana haingana ao anatin' ny fotoana fohy ao amin' ny hoavy ny futur antérieur. Ifanahafany amin' ny fampiasana ny passé antérieur izany[1].
Ohatra:
- Elle lui donnera ce jouet mais il l'aura détruit en un rien de temps.
Ampitahao amin' ny hoe: Elle lui donna ce jouet mais il l'eut détruit en un rien de temps. (passé antérieur)
Fahavitana alohan' ny fisehon-javatra hafa
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina hilazana ny fisehoan-javatra alohan' ny iray hafa izay samy ao amin' ny hoavy ny futur antérieur, ka ilay faharoa dia ambara amin' ny alalan' ny matoanteny atao amin' ny futur simple.
Ohatra:
- Quand tu auras terminé, tu pourras partir.
- Demain, quand tu l'auras vu, tu lui diras de retourner à la maison.
- Chaque fois que tu l'auras vu, tu lui diras de retourner à la maison.
- Après qu'elle aura mangé, elle fera la sieste.
Futur antérieur iresahana ny lasa
[hanova | hanova ny fango]Tsoa-kevitra anombanana ny lasa
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina hiresahana zavatra tsy natrehina tao amin' ny fotoana lasa nefa tokony ho nitranga tokoa ka mila fanamarinana ny futur antérirur .
Ohatra:
- Le chien aboie. Il aura été dérangé par un chat qui passe.
- Pierre n'est pas là: il aura été retenu en ville.
- Mademoiselle des Echerolles est fort dustraite, elle pensait à mille choses, et elle aura cru manger du poulet. (Alexandrine des Echerolles, Quelques années de ma vie, XV; p. 305)
Fanoherana zavatra heverina ho tsy mitombina
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina hanambaràna ny tsy finoana ny filazana momba ny fotoana lasa izay heverina fa diso ny futur antérieur. Mbola azo atao ny manao fanamarinana amin' ny hoavy.
Ohatra:
- Comment ! On aura tout vu !
- Son frère aura tué leur père !
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Filazam-potoana ao amin' ny filaza tsotra (mode indicatif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: présent de l'indicatif, passé composé, imparfait de l'indicatif, passé simple, plus-que-parfait de l'indicatif, passé antérieur, futur simple, futur antérieur, futur simple du passé, futur antérieur du passé.
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza ifampiankinana (mode subjonctif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: subjonctif présent, subjonctif passé, subjonctif imparfait, subjonctif plus-que-parfait
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza mihonohono (mode conditionnel) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: conditionnel présent, conditionnel passé
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza mandidy (mode impératif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: impératif présent, impératif passé
- Filazam-potoana ao amin' ny filaza tsy mitanisa (mode infinitif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: infinitif présent, infinitif passé
- Filazam-potoana ao amin' ny ova-matoanteny (mode participe) ao amin' ny fitsipiteny frantsay: participe présent, participe passé
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Ohatra: En quelques minutes, il eut atteint le sommet et commença à descendre.