Hankany amin'ny vontoatiny

Impératif passé

Avy amin'i Wikipedia

Ny imperatif passé dia filazam-potoana ao amin' ny filaza mandidy (mode impératif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay mifanandrify amin' ny fotoana ankehitriny sy hoavy, tsy araka io anarany io. Ny hoe "passé" (ara-bakiteny: "lasa") eto dia manambara fahavitana na fahatanterahana fotsiny, izay milaza fanehoan-javatra efa. Ampiasaina hilazana fibaikoana, fandrarana, fangatahana, fiangaviana, na tsodrano tokony ho vitaina na tanterahin' izay naheno izany mialoha ny impératif passé. Izany no ifanoherany amin' ny impératif présent izay tsy manambara fahavitana na fahatanterahana mialoha (fanehoan-javatra tsy efa). Ny passé composé (amin' ny maha filazam-potoana afaka mitodika any amin' ny hoavy azy) sy ny futur antérieur no mifanandrify aminy. Tsy mahakasika ny fotoana lasa izy fa mitodika any amin' ny hoavy. Tsy tena miasa betsaka ny impératif passé raha ampitahaina amin' ny impératif présent.

Ohatra

  • Aie écrit ce rapport demain.
  • Soyez partis à midi.
  • Ayons fini les devoirs à 7 h.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]