Infinitif passé

Avy amin'i Wikipedia

Ny infinitif passé dia filazam-potoana ao amin' ny filaza tsy mitanisa (mode infinitif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay ampiasaina ho toy ny anaran' ny matoanteny mbola ivelan' ny fitanisana (tsy iharan' ny mpandray anjara lazaina) sady manambara fanehoan-javatra efa (tsy toy ny infinitif présent). Mahalana kokoa ny fampiasana azy raha mitaha amin' ny infinitif présent. Amin' ny fandrafetana fehezanteny sasany dia afaka misolo ny filazam-potoana amin' ny endriky ny fanehoan-javatra efa izy, toy ny passé composé, futur antérieur, plus-que-parfait de l'indicatif, conditionnel passé, subjonctif passé, impératif passé, sns.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]