Fitsinjaràn' ny tanim-pirenen' i Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Sainam-pirenen' i Madagasikara

Ny fitsinjaràna ny tanim-pirenen' i Madagasikara dia nivoatra nandritra ny tantara ka narafitra ho faritany, faritra, distrika (na departemanta), kaominina, fokonolona ary fokontany. Ny Lalàmpanorenana farany tamin' ny taona 2010 dia mitazona ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina.

Fiavoarana teo amin' ny tantara[hanova | hanova ny fango]

Repoblika voalohany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1959, rehefa niforona ny Repoblika voalohany tamin' ny fahaleovantenan' i Madagasikara, ny Lalàmpanorenany dia namaritra ny faritany sy ny kaominina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana.

Repoblika faharoa[hanova | hanova ny fango]

Teo anelanelan' ny taona 1975 sy 1991, tamin' ny andron' ny Repoblika faharoa dia nisy ambaratonga dimy ny fizaràna:

  1. ny faritany enina, izay lasa faritany mizakatena taty aoriana;
  2. ny fivondronana na fivondronam-pokontany (prefektiora sy soprefektiora taloha lasa distrika);
  3. ny firaisana na firaisam-pokontany (kantao teo aloha);
  4. ny fokontany (vohitra na vakin-tanàna);
  5. ny fokonolona (vondron' olona isaky ny vohitra nentim-paharazana).

Repoblika fahatelo[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1992, ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika fahatelo dia nandefa tany amin' ny Lalàna faha-93-005 mamaritra ny vondrom-paritra, dia ny faritra, ny departemanta ary ny kaominina. Miorina amin' izany, ny Lalàna 94-001 dia mitanisa faritra miisa 28 sy departemanta miisa 158 ary kaominina miisa 1 295.

Ny fanavaozana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992 tamin' ny taona 1998 dia nampiditra indray ny faritany izay lasa mizaka tena. Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana manana ny fizakan-tenany ara-pitantanana sy ara-bola ny faritany mizaka tena. Teo ambany fahefan' ireo faritany mizaka tena ireo ny faritra sy ny kaominina.

Ny Lalàna faha-2004-0016 tamin' ny 17 Jona 2004 dia namerina ny faritra 22 nefa tsy nanafoana ny andraikitra ara-pitantanan-draharaham-panjakan' ny faritany. Sady vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritra no fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana.

Ny fanavaozana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992 tamin' ny taona 2007 dia nanamafy io ambaratonga io izay mitsinjara ny tanim-pirenena malagasy ho faritra sy kaominina, ary nanaisotra ny andraikitra rehetra teo amin' ny faritany sy ny departemanta.

Rafitra ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Repoblika fahefatra sy tao amin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia lasa vondrom-paritra itsinjaram-pahefana indray ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina. Soloan' ny tompon' andraikitra ao amin' ny fokontany, izay mandray anjara amin' ny fampandehanan-draharaha eo amin' ny kaominina, ny fokonolona.

Faritany enina sy faritra 23 (22 teo aloha) ary kaominina an-tanàndehibe sy ambanivohitra miisa 1 549 (izay nitombo isa taty aoriana) no mandrafitra ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana araka ny Lalàna faha-2014-020, talohan' ny nizaràn' ny Didim-panjakana faha-2015-592 ny firenena ho kaominina miisa 1 693.

Faritany sy faritra[hanova | hanova ny fango]

Faritany sy faritra eto Madagasikara

Nizara ho faritra 22 avy eo 23 ny faritany 6 eto Madagasikara tamin' ny taona 2004, ary ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 dia mitazona ireto ambaratonga ireto:

Kaominina[hanova | hanova ny fango]

I Madagasikara dia mizara ho kaominina 1 693, izay samy manana filankevitra monisipaly na kaominaly sy ben' ny tanàna voafidy hiasa mandritra ny efa-taona misesy ary birao mpanatanteraka. Manana sata manokana anefa Antananarivo renivohitra noho ny hamaroan' ny mponina ao aminy sy ny boriborintany 6 ao aminy izay nisy mponina miisa 1 620 000 eo ho eo tamin' ny taona 2015.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna