Hankany amin'ny vontoatiny

Faritra Analanjirofo

Avy amin'i Wikipedia
Faritra Analanjirofo
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Renivohi-paritra Fenoarivo Atsinanana
Distrika 4
Lehiben'ny faritra Tsy fantatra
Fianarana no lova tsara
Velarantany 21 930 km2
Isam-ponina Tsy fantatra
Hakitroky ny mponina Hadisoam-panehoan-kevitra: mpamaritra "/" tsy fantatra. mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany Tsy fantatra
Laharan-jarahasina Tsy fantatra

Ny faritra Analanjirofo dia faritra any amin' ny ilany atsinanan' i Madagasikara ao amin' ny Faritanin' i Toamasina. Miazara sisintany amin' ny faritra Ambatosoa sy Alaotra-Mangoro Sofia ary Atsinanana izy io. Voazara ho distrika efatra izy: Fenoarivo Atsinanana (Fenerive Est), Sainte Marie (Nosy Boraha), Soanierana Ivongo ary Vavatenina. I Fenoarivo Atsinanana (Fenerive Est) no renivohi-paritra. Niisa 860 000 ny mponina tamin' ny 2004. Ny velaran' Analanjirofo dia 21 930 km2. I Mananara Avaratra sy I Maroantsetra dia anisan' ny Faritra Ambatosoa nanomboka tamin' ny taona 2023.

Fenoarivo Atsinanana

Vitsy ny zavatra fantatra momba ny olona niaina tao amin' ny faritra misy an' Analanjirofo. I Constantin, mpizaha tany pôrtogey, izay nahita ny nosy Sainte-Marie, dia nanoratra toy izao:

"Nanana lefom-pohy efatra manan-dela volafotsy ireo lehilahy ireo. (...) tsy nanana afa-tsy fitafiana voatenona amim-pahaizana vita amin' ny ahitra vitsy samy hafa loko izy ireo. Nitondra volotsangana misy rano masira iray avy izy ireo. Lehilahy ngeza sy matanjaka izy ireo, toy ny mahazatra eto amin'io nosy io. Manana ampinga hazo lehibe izy ireo, izay manafina ny vatany manontolo rehefa miondrika, ka ny tapany amin' ny tongony ihany no hita. Ilay nosy dia lava avy any avaratra mianatsimo mitongilana iray degre eo ho eo. Mahafinaritra ny endri-paritra. Feno hazo lehibe tsara tarehy ary tena maitso. Avo dia avo ny tany, fa rehefa manaraka ny morontsiraka ny sambo, dia hita fa mizara ho nosy roa izy io.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]
Ny toerana misy ny Faritra Analanjirofo eto Madagasikara

Ahitana distrika efatra io faritra io:

Faritra Ambatosoa

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Faritany sy faritra eto Madagasikara:

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna