Faritra Bongolava

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Madagascar-Bongolava Region.png

Ny Faritra Bongolava dia isan' ireo faritra 23 mandrafitra ny firenena malagasy. Ao anatin' ny faritanin' Antananarivo teo aloha no misy azy. Distrika roa no mandrafitra ny Faritra Bongolava, dia ny Distrikan' i Tsiroanomandidy (renivohitry ny faritra) sy ny Distrikan' i Fenoarivobe. Ny Faritra Betsiboka, Melaky, Menabe, Vakinankaratra, Itasy ary Analamanga no mamaritra azy.

Pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Repoblika voalohany dia tao anatin' ny Fileovan' Itasy no nisy ny faritr' i Bongolava. Rehefa niova ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana, tamin' ny Repobika faharoa, dia isan' ireo fivondronana 19 mandrafitra ny Faritanin' Antananarivo, ireo distrika roa, Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Ankehitriny, tamin' ny fametrahana ireo faritra 23 eto Madagasikara, dia natsangana ho faritra i Bongolava ka i Tsiroanomandidy no renivohitr' izany. Ny lehiben' ny faritra dia i Jean Claude Rabarijaona.

Toekarena[hanova | hanova ny fango]

Ny faritra Bongolava dia isan' ny faritra mivelona amin' ny fambolena sy fiompiana. Isan' ny mpamatsy ny renivohitr' i Madagasikara izy eo amin' ny lafiny vary, katsaka. Raha ny fiompiana kosa no asian-teny, dia ny fiompiana omby no mampalaza azy indrindra. Ao Tsiroanomandidy rahateo no misy ny tsenan' omby lehibe indrindra eto Madagasikara. Saika miondrana ao Antananarivo avokoa moa ireo omby ireo.

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Faritra azo sokajiana ho faritry ny mpifindra monina iny tapany andrefana amin' ny faritanin' Antanaanrivo teo aloha iny. Tsy mahagaga raha hita ao Tsiroanomandidy avokoa ireo foko 18 misy eto Madagasikara.

Distrika ao amin' ny Faritra Bongolava[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Faritany sy faritra eto Madagasikara: Faritanin' Antananarivo (Faritra Itasy - Analamanga - Bongolava - Vakinankaratra) - Faritanin' Antsiranana (Faritra Diana - Sava) - Faritanin' i Fianarantsoa (Faritra Atsimo-Atsinanana - Amoron'i Mania - Ihorombe - Matsiatra Ambony - Vatovavy-Fitovinany) - Faritanin' i Mahajanga (Faritra Boeny - Betsiboka - Melaky - Sofia) - Faritanin' i Toamasina (Faritra Alaotra-Mangoro - Analanjirofo - Atsinanana) - Faritanin' i Toliara (Faritra Atsimo-Andrefana - Anosy - Androy - Menabe)

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]