Soanierana Ivongo
16°55′00″S 49°35′00″E / 16.916670°S 49.583330°E
| SOANIERANA - IVONGO | ||
| Velarantany | 203 km² km2 | |
| Isan'ny mponina | 29,990 tamin'ny 2 018 | |
| Tanàn-dehibe | NC | |
| Ben'ny tanàna | MENAVOLO Alban voafidy tamin'ny 2024 | |
| Firenena | Madagasikara | |
| Fanjakana | NC | |
| Faritany | TOAMASINA | |
| Faritra | NC | |
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | NC | |
I Soanierana Ivongo dia kaominina malagasy ao amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo, ao amin'ny Faritanin'i Toamasina. I Soanierana Ivongo dia manana firaisam-pokotany miisa 09.
Tantara sy fiandohan' ny anarana
[hanova | hanova ny fango]Ny anarana hoe "Soanierana Ivongo" dia feno hevitra ara-kolontsaina. Araka ny lovantsofina, ny hoe "soa" dia midika hoe "manan-danja" na "sarobidy". Ny hoe "nierana" dia manondro fifampidinihana, ary ny hoe "ivongo" dia midika hoe tendrombohitra na toerana avo.[1]
Misy ihany koa ny mitantara fa nisy lehilahy antsoina hoe Ivongo, avy any Antenina, izay nifindra monina tany Nosivarika. Rehefa avy nisy tondradrano dia nasainy niara-nonina taminy ny vehivavy antsoina hoe Soa, izay loham-pokontany avy any Soanierana. Avy amin'izany no nipoiran'ny anarana hoe "Soanierana Ivongo".
Ny tantara momba ny anarana soanierana ivongo dia i soa olo lehibe voalohany, namorona ity tanana ity, ary ivongo mpandeha av any antenina, sendra nandeha iz ka nahita ity tanana ity, dia nahatsiaro faly iz, ka naniry mba ho monina teto iz, ka niera t'@ soa iz, nefa efa bediabe ny olona, nahita sy nahafantatra ity tanana ity, talohan'ny nahafantaran'ivongo azy, fa tsinisy nahafantatra iza ny olona tokon hierana rah hifindra monina eto iisika! ary rehefa nahazo alalana ivongo dia niverina tany @ misy anazy, niteny tamin naman mpiara-monina tany an-tanàna iz, ka nanao hoe hoany isika, fa zah efa niera t@ soa, ary taty afara nisy olona maniry nahita olo betsaka teto, nanontaniz hoe, taiza ianareo niera fa mba maniry hipetrak aty zahay? namal i mikael mark hoe i soa nieran ivongo. (Mpanoratra: Mikael mark, Facebook)
Jeôgrafia sy fahazoana miditra
[hanova | hanova ny fango]I Soanierana Ivongo dia any amin'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara, ao amin'ny Faritra Analanjirofo, eo amin'ny 11 metatra ambonin'ny haabon'ny ranomasina. Mirefy 203 km² ny velarany.
Misy ao koa ny onibe Marimbona, izay manasaraka azy amin'ny tanàna manodidina. Ankoatra izany, izy dia toerana fiaingana ho an’ny sambo mankany Nosy Boraha (Sainte-Marie), ka lasa ivon'ny fitaterana sy fizahantany ain'ny faritra[2][3][4][5].
Mponina sy sata ara-panjakana
[hanova | hanova ny fango]Tombanana ho 26 990 ny isan'ny mponina tamin'ny taona 2018. Tamin'ny volana Mey 2024, dia naidina ho kaominina ambonivohitra sokajy faharoa i Soanierana Ivongo, ka lasa kaominina ambonivohitra faha-77 eto Madagasikara.
Toe-karena
[hanova | hanova ny fango]Miantehitra indrindra amin'ny fambolena ny toekaren'ny mponina. Anisan'ny vokatra lehibe amin'ny faritra ny sakay, ny lavanila, ny litisia, ny kafe, ny vary ary ny jirofo.
.Fizahantany sy tontolo iainana
[hanova | hanova ny fango]I Soanierana Ivongo dia toerana fanombohana fitsangatsanganana ho any Nosy Boraha (Sainte-Marie), toerana malaza amin'ny fijerena trozona, indrindra amin'ny volana Septambra.
Eo akaiky eo koa no misy ny Faritra arovana Ambatovaky (Réserve spéciale d'Ambatovaky), izay ahitana biby sy zavamaniry maro karazany, anisan'izany ny karazan-tsokatra 11 sy ny karazam-borona mihoatra ny 110.
Tranga manan-tantara
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny Desambra 2021 dia nisy lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nahafatesana olona maro, taorian'ny faharendrehan'ny sambo Francia teo Soanierana Ivongo. Nisy olona 85 no namoy ny ainy. Nohazavaina taorian'izany fa voarara mandritra ny androm-piainany ny tompony sy ny kapitenin'ny sambo, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Nanaitra ny manampahefana izany tranga izany ka nohamafisina indray ny fiarovana an-dranomasina eto Madagasikara.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Madagasikara
- Kaominina any Madagasikara
- Soanierana Ivongo
- Kaominina any Madagasikara
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://fr.scribd.com/document/706499379/272-1
- ↑ "Soanierana Ivongo", en.wikipedia.org
- ↑ "Réserve spéciale d'Ambatovaky", fr.wikipedia.org
- ↑ "Naufrage du 20 décembre 2021 à Madagascar", fr.wikipedia.org
- ↑ https://fr.scribd.com/document/706499379/272-1
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]
| ||||||||||||||||||||||||