Rio Tinto

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Panoramica Corta Atalaya2.jpg

Ny Rio Tinto dia vondrona orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany anglo-aostraliana misandrahaka maneran-tany, izay miorina indrindra ao Aostralia sady manana foibe roa (any Melborna sy any Londona) sy ao Amerika Avaratra. Io vondrona io dia hita ihany koa amin'ny firenena maro amin'ny Kontinenta dimy, nefa ny ampahany be amin'ny fitrandrahany dia ao Aostralia sy ao Kanada.

Ny fananany dia mitentina 81 lavitrisa dolara, izay azy amin'ny alalan'ny tambajotran'orinasa sy sampana maro[1]. Hatramin'ny nividiany ny Alcan sy ny famoronana ny Rio Tinto Alcan, ny fitrandrahana ny alominioma no lehibe indrindra amin'ny anton'asa sahaniny: niteraka 40% amin'ny varotra nataony tamin'ny taona 2008 izany[2].

Ny fitrandrahana ny vy kosa dia 28% amin'ny varotra ataony, ary ny Rio Tinto, niaraka tamin'ny orinasa BHP Billiton sy ny orinasa Vale, dia iray amin'ireo vondrona telo izay manjaka amin'ny tsena maneran-tany amin'ny fitrandrahana sy fivarotana io akora io. Isan'ireo asa sahaniny amin'ny sehatra hafa iasan'ilay vondrona ny arina sy ny varahina.

Sampan'ny Rio Tinto ny QIT-Fer et Titane izay manana zana-tsampana hafa ka ny eto Madagasikara dia ny QIT Madagascar Minerals (QMM) izay miorina ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin) sady mitrandraka ilmenita na fasi-mainty.

Tantarany[hanova | hanova ny fango]

Ny anaran'ilay orinasa dia nalaina avy amin'ny anaran'ity renirano hita eto amin'ny sary ity, dia i Rio Tinto, izay lasa mena noho ny fahalotoana navelan'ny tantara (fitarihan-drano miharo asidra, vokatry ny fitrandrahana tany aloha ela be, mety tany amin'ny Andro Taloha).

Fanombohany niasa tao Espaina[hanova | hanova ny fango]

Ny orinasa dia naorina tamin'ny 1873, rehefa nisy fikambanana iraisam-pirenenan'ny mpampiasa vola niforona mba hividy ny toeram-pitrandrahan'i Rio Tinto izay an'ny governemanta espaniola, teo amin'ny ony Rio Tinto . Ny mpividy dia nalain'ny mpanankarena mpanana taozava-baventy atao hoe Hugh Matheson (Matheson's Matheson and Company), izay namorona fikambanana natokana ho amin'izany ahitana Deutsche Bank (56%), ny orinasa Matheson (24%), sy ny orinasa misahana lalamby atao hoe Clark, Punchard and Company (20%).

I Hugh Matheson, ilay nividy ny Rio Tinto avy any Espaina sady tale voalohan'ny orinasa.

Amin'ny fivarotana ny toeram-pitrandrahana, tamin'ny fotoana feno fikorontanana ara-politika (Febroary 14, 1873), efatra andro taorian'ny fananganana ny Repoblikan'i Espaina, ny fikambanana dia nandresy ka nahazo ny toeram-pitrandrahana manontolo amin'ny tamin'ny tolotra mitentina 3,68 tapitrisa pound sterling (92,8 tapitrisa peseta espaniola), taty aoriana dia naseho fa ambany lavitra noho ny tokony ho vidiny izany[3]. Ny tolotra dia ahitana andininy iray milaza fa ny governemanta espaniola dia tsy manana ny zo rehetra hitaky ny tamberim-bidy momba ny famokarana eo amin'ilay toeram-pitrandrahana. Fotoana fohy taorian'ny nividianana ilay toeram-pitrandrahana, namorona an'ity orinasa indostrialy antsoina hoe Rio Tinto ity ny sendika (niditra tao amin'ny rejisitry ny orinasa espaniola tamin'ny 29 Martsa 1873[4].

Lavaka be navelan'ny fitrandrahana nataon'ny orinasa Rio Tinto tamin'ny taona 1980.

Tamin'ny faramparan'ireo taona 1880, ny fianakaviana Rothschild dia nandray ny fanaraha-maso ny orinasa, izay efa nampitombo be dia be ny habetsahan'ny fiasany ny harena ankibon'ny tany trandrahany[4].

Nanomboka teo, dia nitombo sy nanan-karena ny orinasa nandritra ny fisian'ny fanambarana amam-pividianan-karen'orinasa ka nahatonga azy ho lasa isan'ireo orinasa matanjaka indrindra eran''izao tontolo izao tsara amin'izao fotoana izao amin'ny famokarana akora isan-karazany, anisan'izany ny alominioma, ny vy, ny varahina, ny oranioma, ny arina ary ny diamondra[5].

Na dia natokana ho an'ny sehatry ny fitrandrahana mineraly sy ny fitadiavam-bola momba ny metaly aza ny Rio Tinto dia manan-danja ihany koa izy amin'ny fahaiza-manao sy orinasam-panadiovana, indrindra fa ny fanadiovana ny baoksita sy ny akoram-by[6].

Tantaran'ny fitrandrahana[hanova | hanova ny fango]

Taorian'ny fividianana ny toeram-pitrandrahan'i Rio Tinto, ny tompon'orinasa vaovao dia nanorina trano vaovao fanodinana, izay nampiasa teknikam-pitrandrahana vaovao sy nanitatra an'ilay karazany ny harena ankibon'ny tany trandrahany[4].

Hatramin'ny taona 1877 ka hatramin'ny 1891, ny toeram-pitrandrahana Rio Tinto no lehibe indrindra eran-tany amin'ny famokarana varahina[7].

Nanomboka tamin'ny 1870 ka hatramin'ny 1925, ny nanokana ny fafazany amin'ny fitrandrahana tanteraka ny ilay toeram-pitrandrahana goavamben'i Rio Tinto, sady nanitatra na fitrandrahana ivelan'i Espaina. Ny vondrona dia ampahany amin'ny fiombonan'orinasa izay mifehy ny famokarana varahina sy pirita ary ny fifehezana ny vidin'ny vokatra manerana izao tontolo izao, izay manome antoka ny fahombiazany ara-bola tsy miova hatrany amin'ny 1914.

Les teleras sy ny taonan'ny tifitra[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 4 Febroary 1888, fotoana fohy taorian 'ny nahatongavan'ny Tale Jeneraly vaovao, William Rich, ny fihetsiketsehan'ny mpitrandraka sy ny tantsaha nanohitra ny fisian'ny setrok'ireo "teleras" sy nanohitra ny tontolo fadiranovan'ny asa dia nofaizin'ny tafika mafy. Na dia tsy niresaka firy ny amin'ilay hetsika aza ny governemanta sy ny orinasa, dia fantatra fa olona maherin'ny 200 no maty. Ireo tranga feno ra mandriaka dia atao hoe año de los tiros ("taon'ny tifitra") any amin'ny faritanin'i Huelva.

Ny teleras (fandoroana ny akora an-kalamanjana) dia efa fanao tao an-toerana nanomboka tamin'ny fiandohan'io taonjato io fa tamin'ny fahatongavan'ny Anglisy no nampitombo be ny fanaovana izany hany ka dia tombanana ho 500 taonina isan-taona ny akora voadoro. Nisy akony teo amin'ny firenena izany toe-draharaha izany, ary tany amin'ny faritany dia nizara roa ny mponina ka ao ireo atao hoe humistas ("mpankasitraka ny setroka"), nanohana ilay fanao izay heveriny ho mariky ny fandrosoana, ary ao koa ireo antihumistas ("mpanohitra ny setroka"), izay nitsikera ny fandotoana goavana ny tontplo iainana (Raha ny marina, ny setroka avy amin'ny teleras dia nandoto ny faritra manontolo, ka indraindray dia tonga any Sierra de Sevilla, ary na dia tany Ayamonte sy Portogaly aza tongan'izany setroka izany. Noho izany, nanomboka tamin'ny taona 1877, maro ny fitarainana, voarain'ny governemantan'i Cánovas del Castillo, ka nahatonga famoahana didim-panjakana tamin'ny 22 Jolay 1879, izay nanome onitra kely fotsiny ho an'ny fahavoazana amin'ny vokatry ny fambolena; izany dia sahala fanomezana alalana ny fampiasana izany fomba fandorana akora izany, na dia teo aza ny fahafatesan'ny mpiasa maro tao amin'io faritra io vokatr'izany. Ireo dokoteran'ny orinasa dia nilaza fa izany fahafatesana izany dia vokatry ny aretina avy any an-kibondreny mianjady amin'ny mpiasa fa tsy vokatry ny setroka.

Nandritra izany, maro ny tanàna niezaka nandràra ny fandoroana akora ankalamanjana. Saingy ny governemanta dia nanafoana ny didy navoakan'ireo tanàna ireo noho ireo ao amin'ny governemanta efa azon'ny orinasa sy ny ny gazety mpandala ny mahazatra toa ny La Provincia.

Nitombo ny tsy hafaliana ka ireo tompon-tany sy ireo mpiasa tany, izay tsy afaka nivelona intsony noho ny fahalotoan'ny tontolo iainana, dia nitambatra ka nanao hetsi-panoherana amin'ny maha mpiasa sy ho fandalana ny tontolo iainana. Noho izany, ny 31 Janoary tamin'ny taona 1888, dia nisy hetsika teo amin'ny lapan'ny tanàna iray notarihan'ilay mpikatroka an-dahatsoratra, dia ilay kiobana Maximiliano Tornet, izay nametraka fangatahana maromaro, anisan'izany ny fampitsaharana ny fandoroana akora eny ankalamanjana. Tamin'ny 29 Desambra amin'io taona io vao nandidy ny governemanta fa tokony hahena io fomba fandoroana io (nefa efa voarara any Britaina Lehibe fito taona lasa izany fanao izany).

Ny 2 Febroary, dia nisy fitokonana tao amin'ny lempona fitrandrahana, izay nitarika ny Governora Sivily hametraka antoko-miaramila roa an'ny jeneraly Pavía, izay baikoin'ny lieotna-kolonely Ulpiano Sánchez. Ny ampitson'io, na dia teo aza ny fanandramana fanelanelanana nataon'ny Guardia Civil, dia nisy ny trangana herisetra niseho, ka ny mpitantana ny tanàna sy ny mpitantana ny orinasa, William Rich, izay tsy nanaiky ny fifampiraharahana sady angamba nampandre ny any amin'ny renivohitra mba handefa ny tafika ao Riotinto.

Ny marainan'ny 4 Febroary, nisy hetsika vaovao indray, nandraisan'ny mponina tao an-tanànana akaikin'i Nerva sy ny faritra manodidina, ary nisy solontena tonga tao amin'ny lapan'ny tanàna mba hanolotra ny fangatahany. Ny Kianjan'ny Lalàm-panorenana dia feno mpiasa, zaza amam-behivavy ary tombanana fa misy mpanao fihetsiketsehana 12 000. Hetsi-panoherana am-pilaminana izany, nefa tsy nisy olona nahalala marina tsara hoe iza no nanome alalana ny miaramila tao Pavía mba hitifitra ny vahoaka, ary avy eo dia novitain'ireo miaramila tamin'ny baionety ny ain'ireo maratra.

Tsy fantatra hoe natao inona ireo faty, nefa heverina fa nalevina tao amin'ny korontan-tany sy vato tao amin'ny toeram-pitrandrahana. Ireo fisehoan-javatra mampalahelo ireo, izay niteraka fihetseham-po eran'ny firenena sy eran-tany, dia azo heverina ho fihetsiketsahana voalkohany natao hiarovana ny tontolo iainana, fa na dia eo aza ny didy navoakan'ny minisitra José Luis Albareda, ny teleras dia tsy voarara tanteraka tao Espaina raha tsy tamin'ny 1907.

Ny toeram-pitrandrahana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa[hanova | hanova ny fango]

Tonga ny Ady Lehibe Voalohany ka ny vokatr'izany dia ny fahafoanan'ny tsena Amerikana amin'ny maha tsena azo ianteherana ho an'ny akora pirita eoropeana, izany dia niteraka ny fihenan'ny fandraharahana orinasa maneran-tany[4], nefa nisy tsena vaovao nipoitra, izay niroborobo noho ny filana metaly avy amin'ny tafika eoropeana, ary avy eo dia nila izany koa ireo asa fanarenan-tanàna potiky ny ady.

Ny tsy fisian'ny fanamaroana ny karazam-bokatra vokarin'ny orinasa ilain'ny sehatra hafa na ny firenena hafa dia nanampy ny fihenan'ny endrik'ilay orinasa amin'ny maha orinasam-pitrandrahana iraisam-pirenena lehibe indrindra azy. Na izany aza, dia niova ny toe-draharaha taorian'ny ady, tamin'ny taona 1925, rehefa i Auckland Geddes, no nandimby an'i Alfred Milner amin'ny maha filohan'ny vondrona azy.

I Geddes sy ny ekipa teo amin'ny fitantanana vaovao dia manapa-kevitra ny hampivelatra ny fampiasam-bolan'ny orinasa sy hanavao ny paikady ara-barotra. Nitarika ny vondrona i Geddes mba hamolavola sehatra iraisam-pirenena miaraka amin'ireo mpanjifa eo amin'ny sehatry ny fampivoarana ny teknolojia vaovao sy amin'ny fikarohana harena an-kibon'ny tany sy ny fitrandrahana izany ivelan'i Espaina[4].

Ny manan-danja indrindra tamin'ny fampiasam-bolan'ny orinasa dia mety ho ny fividianana ny tany malalaka sy ny toeram-pitrandrahana varahina any Rodezia, izay nohamafisiny orina tamin'ny namoronany ny Rhokana Corporation[4]. Ireo ezaka fanamaroan-karazana ny vokatra ireo dia nahafahan'ny orinasa handao ny toeram-pitrandrahana tao Rio Tinto ao Espaina, raha tamin'ny taona 1950 ny governemanta nasionalistan'i Franco nahatonga ny fitrandrahana ny harena voajanahary "espaniola" ho amin'ny tombontsoian'ny orinasa vahiny[4]. Ny orinasa Rio Tinto Company izay notohanan'ny fampiasam-bolany maneran-tany, dia afaka nivarotra ny roa ampahatelon'ny asa nataony tao Espaina tamin'ny taona 1954, notanterahiny tamin'ireo taona manaraka ny sisa tavela[8].

Fanakambanana sy fividianana orinasa[hanova | hanova ny fango]

Foiben-toeran'ny Rio Tinto any Melborna any Aostralia.

Tahaka ireo orinasam-pitrandrahana goavam-be maro, ny orinasa Rio Tinto dia nitombo tamin'ny alalan'ny fanakambanana sy ny fividianana orinasa.

Tamin'ny Oktobra 2007, ny Rio Tinto dia nividy tamin'ny vola 38.1 lavitrisa dolara amerikana, ilay orinasa kanadiana mpamokatra atao hoe Alcan[9]. Izy no lasa lohalaharana manerantany amin'ny famokarana alimo alohan'ny orinasa rosiana Rusal sy amerikana Alcoa. Ilay orinasa vao noforonina dia nantsoina hoe Rio Tinto Alcan .

Ny Febroary 2009, ny Rio Tinto dia nanao izay handraisan'ny Chinalco anjara ara-bola mba hanatanterahana ny adidiny ara-bola, ka isan'izany ny tokony handoavany 9 lavitrisa dolara tamin'ny faran'ny taona 2009. Namidiny tamin'ny orinasa Vale ny petra-bolany mba hanatsara ny toe-bolany azo kirakiraina. Ankoatr'izay dia nanambara ny fandroahana mpiasa miisa 14 000 tamin'ny taona 2009[10]. Tamin'ny 12 Febroary 2009, ny Chinalco dia nanapa-kevitra ny hampiasa 19,5 lavitrisa dolara ao Rio Tinto[11] . Tamin'ny Jona 2009, ny Rio Tinto dia nisafidy ny handray famatsiam-bola avy amin'ny tsenam-panjakana, sady nanao sonia ny fiaraha-miasa amin'ny BHP Billiton, ka nandao ny Chinalco teo amin'ny famitana dingana. Ny mpanao gazety tokan-tsehatra dia nilaza fa ny governemanta sinoa dia nanery ny Rio Tinto mba hahatonga azy hanaiky ny fanaraha-mason'ny Chinalco[12].

Tamin'ny volana Aogositra 2010, nisy orinasa vaovao, dia ny Alcan EP, izay nanangona ny vokatra voamboatra, izany hoe ireo asa nataon'ny Pechiney amin'ny vokatra voamboatra vita amin'ny alominioma ho an'ny fiaramanidina sivily sy miaramila, ho an'ny fiara, ho an'ny fanamboarana lalamby na ho an'ny indostria.

Tamin'ny voalohandohan'ny taona 2011, ny 51%n'ny Alcan EP dia namidy tamin'ny tahiry fampiasam-bola amerikana (ny Apollo), ary ny 10% no namidy tamin'ny tahirim-bolan'ny fanjakana frantsay, dia ilay atao hoe Fonds Stratégique d'Investissement. Ny Rio Tinto Alcan dia mitazona ny sandanjon'ny renivola, izany hoe ny 39%[13]. Ny Alcan EP, izay novana anarana hoe Constellium, dia manana toeram-pitrandrahana 70 sy mpiasa miisa 11.000 maneran-tany, ka ny 5.000 amin'ireo dia any Frantsa.

Tamin'ny taona 2016, namidiny 100% tamin'ilay orinasa maheni-tany Simec ny zanak'orinasany, dia ny Alcan Aluminum UK, tamin'ny vola mitentina 410 tapitrisa dolara.

Tamin'ny Janoary 2017, ny Rio Tinto dia nanambara ny fivarotana ny ampahan'ny asa arintany izay nataony any Aostralia tamin'ny à Yanzhou Coal Mining (Yancoal) tamin'ny vola 2 450 000 000 dolara[14]. Tamin'ny volana Jona 2017, dia nihoatra izany tolotra izany ny Glencore[15].

Tamin'ny Oktobra 2017, dia sambany teo amin'ny tantara, ny Rio Tinto dia nadefa fiarandalamby tsy misy mpamily tamin'ny dia lavitra tany Aostralia[16].

Asa sahaniny[hanova | hanova ny fango]

Ny harena fototra dia any Aostralia (akoram-by, arintany, alominioma), any Etazonia (varahina, arintany), any Kanada (alominioma sy ny hafa), any Amerika Latina ary any Afrika Atsimo.

Tamin'ny Marsa 2009, ny Rio Tinto dia heverina ho orinasa fahefatra mpitrandraka harena ankibon'ny tany eto amin'izao tontolo izao tamin'ny renivola tokony ho 34 lavitrisa[1] ka ny vondrona dia voatanisa ao amin'ny gazetiboky Fortune ho any amin'ny laharana faha-263 eto amin'izao tontolo izao araka ny filaharan'ny orinasa lehibe indrindra arala ny lisitra Global Fortune 500[17].

Tany Kanada, ankoatra ny alominioman'ny Alcan, dia manara-maso toeram-pitrandrahana maro sy orinasana metaly fototra. Ohatra, ny Rio Tinto dia manana ao Quebec ny QIT-Fer et Titane[18] izay mitrandraka ny tahirina ilmenita lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao, hita ao amin'ny farihy Tio, 43 kilometatra avy ao Havre-Saint-Pierre any amin'ny morontsiraka avaratr'i Kanada. Ao amin'ny Sorel-Tracy, ny QIT dia maka dioksidana titàna avy amin'izany akora ilmenita izany izay anamboarana loko fotsy mpanamatroka ao amin'ny asa fandokoana sy ny plastika sy ny taratasy, sns, sady loharano voalohany ahazoana titàna. Izy koa no manana toeram-pitrandrahana vy lehibe indrindra ao Labrador any Kanada, ka mahatratra 59% ao amin'ny Independent Operating Company (IOC) izany. Farany, dia manana ny 60% fanraisana anjara ao amin'ny fitrandrahana diamondra ao Akdov any Yellowknife, ao amin'ny Northwest Territories[19].

Tamin'ny taona 2013, ny Rio Tinto dia nahazo fiaran-dalamby tamin'ny Qiqihar Railway Stock Co., Ltd. ary novokarin'ny mpanamboatra fiarandalamby iray malaza ao Sina izay afaka mitondra entana faran'izay mavesatra indrindra manerana izao tontolo izao: mety hahatratra 155 taonina isan-kalesy izy io; ny vesatra lehibe indrindra zakan'ny tsivalan-kodiarana tsirairay dia 44 tonina ary ny lamasinina dia mahazaka entana entana 30 000 ka hatramin'ny 50 000 tonina[20].

Tanjany ara-bola[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 2006, ny Rio Tinto dia nanambara fa mampiasa vola hatramin'ny 22 500 000 000 dolara ka ny fitombon'ny hareny dia mahatratra 8.6 lavitrisa dolara kanadiana.

Tamin'ny taona 2007, ny orinasa dia nahazo tombony amin'ny 147 000 000 000 dolara[21],[22] .

Na dia nahomby nandritra ny taona maro nifanesy aza ny fitantanana ara-bolan'ny orinasa, na dia tsara aza ny fidiram-bola avy amin'izany ho an'ny mpampiasa vola, ary na dia eo aza ny fitadiavan'i Sina metaly be dia be, tamin'ny taona 2007, ny famerenana ilay orinasa Kanadiana Alcan tamin'ny fividianana azy amin'ny vola mitentina 38,1 lavitrisa dia namoaham-bola be loatra ka nampidi-trosa indrindra ny vondrona Rio Tinto[23].

Rafitra[hanova | hanova ny fango]

Tsy sahala amin'ireo orinasa hafa mitovy habe aminy, ny Rio Tinto dia orinasa Dual-listed company, izany hoe orinasa fehezin'ny fikambanana roa miavaka, izay mizara ny fahasahiranana mety hitranga sy ny tombontsoa:

  • ny Rio Tinto Plc, orinasa voatanisa ao amin'ny rejisitry ny London Stock Exchange, izay mikambana ao amin'ny vondrona ao amin'ny FTSE 100 Index[24];
  • ny Rio Tinto Ltd, voasoratra ao Aostralia ary anatin'ny lisitra ao amin'ny Australian Securities Exchange izay ao amin'ny vondron'ny S&P/ASX 200 Index[25].

Ny vondrona dia mizara ho sampana ara-barotra dimy: ny alominioma, ny varahina, ny diamondra sy ny mineraly hafa, ary ny angovo sy ny akoram-by. Tamin'ny 2007 dia nisy orinasa 80 niorina tany amin'ny firenena 50.

Ireo tsikera mahazo ny Rio Tinto[hanova | hanova ny fango]

Ny toeram-pitrandrahana ao Grasberg any Indonezia

Tsy fanajana ny tontolo iainana[hanova | hanova ny fango]

Ny vondrona Rio Tinto dia tsikerain'ireo fikambanana mpiarony tontolo iainana noho ny asa firandrahana ataony. Ny fanoherana an'io orinasa io dia miompana amin'ny fomba fiasan'ilay orinasa izay manimba ny tontolo iainana, ny fitrandrahana sy ny fiasana ny arintany ataon'ilay orinasa izay mandray anjara amin'ny fampiakarana ny hafanana maneran-tany, sy ny asa fitrandrahany oranioma izay mampiahiahy momba ny tontolo iainana sy ny teknolojia nokleary. Ny tsikera iarovana ny tontolo iainana mafy indrindra dia ny an'ny governemanta norveziana ,izay niala tamin'ny asan'ny Rio Tinto sady nisakana ny fampisam-bola noho ny fisahiranany momba ny tontolo iainana. Ny fiampangana noho ny fahasimbana goavan'ny tontolo iainana izay mifandray amin'ny asan'ny Rio Tinto ao amin'ny toeram-pitrandrahan'i Grasberg any Indonezia dia nitarika ny Statens pensjonsfond Utland (tahirim-bola fifampitsinjovana an'ny governemanta norveziana) hanala ny Rio Tinto tsy hanaovanay fampiasam-bola. Izany tahirim-bola izany, izay heverina ho laharana faharoa eran-tany, dia nivarotra ny petra-bolan'ny orinasa izay mitantina 4,85 miliara koronina (855 tapitrisa dolara) mba hialana amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanimbana ny tontoloiainana ataon'ilay orinasa[26].

Ny fanesoranay ilay orinasa avy tamin'ny Tahirim-bola dia maneho ny fahalainanay ny ho azon'ny fahasahiranana tsy azo ekena amin'ny handraisana anjara amin'ny fihetsika izay mazava fa mifanohitra amin'ny tokony ho izy. Ny Filankevitry ny fahamendrahana dia nanatsoa-kevitra fa ny Rio Tinto dia mandray anjara mivantana, noho ny fandraisany anjara amin'ny toeram-pitrandrahana ao Grasberg ao Indonezia, amin'ny fanimbana ny tontolo iainana vokatr'izany fitrandrahana harena an-kibon'ny tany izany[27].

Ny Rio Tinto dia nanohitra izany fiampangana azy ho manomba tontolo iainana oa amin'ny toeram-pitrandrahana ao Grasberg izany ka nanambara fa ny orinasa dia nitazona hatry ny ela laza tsara raha ny amin'ny resaka tontolo iainana[28].

Tsy fanajana ny fepetran'ny asa sy ny zon'olombelona[hanova | hanova ny fango]

Ireo fikambanana mpihetsiketsika dia naneho koa ny ahiahiny ny amin'ny asan'ny Rio Tinto any Papoazia-Ginea-Vaovao, izay, araka azy ireo, nivoy ny fahasahiranan'ny mpisara-bazana ao Bougainvilla[29]. Ny fikambanana mpanao asa soa britanika miady amin'ny fahantrana War on Want dia nitsikera ihany koa ny tsikombakomba misy eo amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izay miseho manodidina ny toeram-pitrandrahana, misa any Indonezia sy any Papoazia-Ginea Vaovao io fikambanana io[30].

Tamin'ny 31 Janoary 2010, ny Rio Tinto dia nanajanona mpiasa nitaky zo miisa tokony ho 600 eo avy ao amin'ny toeram-pitrandrahana ao Boron, any Kalifornia, Etazonia[31].

Ny Rio Tinto dia ampangaina koa ho nanaomana sy namatsy vola ny famonoana an'ilay mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny RTI, dia i Shehla Masood, tao Bhopal any India. Nanohitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny diamondra izay nataon'ny Rio Tinto tamin'ny firaisana tsikombakomba tamin'ny olona ao amin'ny governemanta. Izany raharaha izany dia voavaha ary tsy nisy ifandraisany amin'ny Rio Tinto azo porofoina, na dia mihevitra ny olon-tsotra fa meloka ny Rio Tinto [32][33][34][35].

Na dia izany aza, ny Rio Tinto dia tsy voaheloka maneran-tany amin'ny fiasany miohara amin'ny ara-moraly. Ny orinasa dia nalazo ny loka amin'ny fahaiza mitondra tena, dia ny loka Worldaware Award for Sustainable Development tamin'ny taona 1993[36]. Ny loka, na dia nomen'ny vaomiera mahaleotana, dia tohanan'ny orinasa iray hafa izay misandrahaka maneran-tany koa (noho nizany, ny mpanohana dia ny Tate and Lyle). Ny Rio Tinto koa dia manohana ny fanolorany loka WorldAware, dia ny loka Rio Tinto Award for Long-term Commitment[37].

Ny fikambanana mpanao asa soa britanika Worldaware dia tsy misy intsony nanomboka tamin'ny volana marsa 2005[38]. Ireo loka ireo, izay omena ny orinasa mpitrandraka izay nanao fanamby manaja ny tontolo iainana mba hialana amin'ny fitsikerana faobe ny asa ataon'izy ireo, dia ataon'ny fikambanana mpanara-maso ny orinasa hoe "greenwashing" (ara-bakiteny: "fandiovana ho maitso" na "fanamaitsoana") izany hoe isehoana ho tsy mana-tsiny manoloana ny tontolo iainana[39] [40] [41].

Fiampangana amin'ny fanaovana tsolotra[hanova | hanova ny fango]

Fitrandrahana tany Sina[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny taona 2009, ny mpitondra sinoa dia nanadihady momba ny fiampangana ny Rio Tinto. Fitsolorana ireo mpitantana tao amin'ny orinasa mpanao asa vy lehibe indrindra sinoa miisa 16 mba hahazoana vaovao miafina[42]. Tamin'ny 29 marsa 2010, mpiasa miisa efatra tao amin'ny Rio Tinto no niaiky heloka ny amin'ireo fiampangana ireo tamin'ny nadraisany vola dolara an-ketsiny natao tolotra[43]. Voasazy nandoa an-jato tapitrisa dolara izy ireo miampy 7 hatramin'ny 14 taona an-trano maizina[44].

Fitrandrahana tany Ginea[hanova | hanova ny fango]

Ny Rio Tinto dia voarohirohy tamina fiampangana tsolotra momba ny fividianany fandraisana ajara petra-bola tao amin'ny toeram-pitrandrahana vy tao Simandou tao Ginea. Ny foiben'ny fiampangana dia momba ny fanomezana vola tsolotra mitentina 10,5 tapitrisa dolara an'i François de Combret, mpanolotsaina ao amin'ny banky frantsay izay namana sady mpanolotsaina ny filoha Alpha Condé[45] [46].

Nanao fanadihadiana anatiny Rio Tinto momba izany, izay nosahanina vondrona mpisolovava mahaleo tena, ary tamin'ny 9 Novambra 2016 dia nambara izy ireo fa hanao tatitra ny vokatra azony any amin' ny United States Securities and Exchange Commission (SEC) sy ny Serious Fraud Office (Britanika) sy ny Australian Securities and Investments Commission ary ny United State Justice Department. Nanambara koa izy ireo fa hiara-hiasa amin'ny fanaovana fanadihadiana mifanampy amin'izany sady nandroaka mpiasa ambony roa izay nisy fifandraisany tamin'ilay raharaha, ka ny iray dia lehiben'ny angovo sy ny akora mineraly, dia i Alan Davies[47], izay nitantana ny hetsika Simandou tamin'ny taona 2011[46]. Nahantona tamin'ny asany izy taorian'ny nahitan'ny mpanadihady imailaka mampiahiahy ahitana adivarotra momba ny fandoavana ny fifanekena nanomboka tamin'io taona io. Nilaza i Davies fa tsy misy ny antony tokony hanalana azy amin'ny asany[48].

Ny filoha dia nanda ny mety ho fahalalany ilay fifanakalozana tsy ara-dalàna, nefa ny raki-peo tao amin'ny Farance24 dia nanaporofo ny mifanohira amin'izany[49]

I Sam Walsh, Filoha sy Tale Jeneraly taloha tao amin'ny orinasa, dia nahazo 80%n'ny karamany izay voahazona nandritra ny fitohizan'ny fanadihadiana[50].

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, ilay ministry ny harena an-kibon'ny tany taloha ao Ginea taloha, dia i Mahmoud Thiam, dia nanambara fa ny tomponandraikitra tamin'ny hetsiky ny Rio Tinto tao Ginea dia nanomenazy tsolotra tamin'ny taona 2010 mba ho afaka nifehy ny toeram-pitrandrahan'i Simandou ary mba hahazo ny fanohanan'ny mpikambana zokiny ao amin'ny orinasa[51].

Ny Rio Tinto amin'izao fotoana izao dia miatrika fitoriana miaraka miisa efatra fara-fahakeliny ao Etazonia, izay mitaky onitra tamin'ny fiampangana kolikoly tany Ginea. Nanambara ny fampanoavana fa ny Rio Tinto dia nanao "fanambaràna diso sy mamitaka lehibe" izay "namitaka" ireo mpampisa vola[52].

Tamin'ny volana Jolay 2017, ny Serious Found Office (SFO) dia nanambara ny hanaovana fanadihadiana momba ny hosoka sy ny tsolotra eo amin'ny fomba fiasa ara-barotry ny Rio Tinto ao Ginea[53]. Taorianan'ny fanambaràna ny hanaovana ny fanadihadiana, dia nihena 1,4% ny petra-tsora-bolan'ny Rio Tinto[54]. Ny polisy federaly aostraliana koa dia nanadihady ny amin'ireo fiampangana ireo[55]. Ny Rio Tinto dia nanambara fa hiara-hiasa amin'ny fanatanterahana ny fanadihadiana. Taorian'ny fanambaràna ny hanaovana fanadihadiana izay nataon'ny SFO sy taorian'ny fikarohana olona hatao filoha sy tale jeneraly vaovao, i John Varley, talen'ny Rio Tinto, dia voatery nametra-pialana tamin'ny toerany tao amin'ny orinasa[56] [57].

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy:[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 Rio Tinto Chartbook, marsa 2009, Rio Tinto Group, notsidihina tamin'ny 08-04-2009
  2. Rapport annuel 2008
  3. Huelva Province – Rio Tinto, Andalucia.com, notsidihina tamin'ny 03/03/2009.
  4. 4,0 4,1 4,2 4,3 4,4 4,5 et 4,6 Charles E. Harvey (1981) ; The Rio Tinto Company: an economic history of a leading international mining concern (Ny orinasa Rio Tinto : tantara ara-toekarenan'ny vondrona mpitrandraka harena an-kibon'ny tany mantanjaka eran-tany), jereo takila faha-188.
  5. Rio Tinto ; Résultats préliminaires 2008.
  6. Our Products; Rio Tinto web site, Rio Tinto Group, 2009/04/11
  7. Stevens, Horace Jared The Copper Handbook, Ed : Horace J. Stevens, 1908, vol 8, takila faha-1547.
  8. "Who We Are: Timeline, Page du site Web du Groupe Rio Tinto, version 2009, notsidihina tamin'ny 04/03/2009;
  9. "Rio Tinto prend le contrôle d'Alcan", Le Monde,‎ 24 octobre 2007 (tahiry).
  10. Personnel de rédaction, "The big owe", The Economist,‎ 2 Febroary 2009 (tahiry).
  11. The Associated Press, "Chinalco investit 19,5 milliards $US dans Rio Tinto", Le Devoir,‎ 13 février 2009. (tahiry)
  12. "A souring relationship", The Economist,‎ 11 Aogositra 2009.(tahiry)
  13. "La renaissance de l'ex-Pechiney prend effet", La Tribune,‎ 4 Janoary 2011.
  14. Rio Tinto sells coal assets to China's Yancoal for up to $2.45 billion, Byron Kaye et Barbara Lewis, Reuters, 24 Janoary 2017 (tahiry)
  15. Glencore outbids Yancoal for Rio Tinto coal mines in Hunter Valley, Reuters, 9 oktobra 2017 (tahiry)
  16. Steve Tenre, "Ce train autonome inédit vient d’effectuer son premier trajet", Daily Geek Show,‎ 4 Oktobra 2017 (tahiry)
  17. Loharano: Jérôme Goellner, lehiben'ny service technologie et risques industriels ao amin'ny ministera misahana ny Tontolo Iainana (Oktobre 2010), nanontaniana ny amin'ny fotaka mena ao Gardanne.
  18. QIT [tahiry)
  19. Claude Turcotte, "Rio Tinto, 134 ans et toutes ses dents", Le Devoir,‎ 14 juillet 2007 [tahiry]
  20. french.peopledaily.com.cn/Economie/8367654.html
  21. Freed Jamie, thwart-bhp/20080201-1pkr.html Chinese raid on Rio Tinto could thwart BHP (Un Raid chinois sur Rio Tinto pourrait contrecarrer BHP) [tahiry], 2008/02/01, Sydney Morning Herald, édité par Fairfax Digital, notsidihina 2009 04 10
  22. BBC, 2007/11/08 BHP makes £120bn Rio bid approach [tahiry], Informations en ligne, BBC, notsidihina 2007/11/08
  23. Espinoza, Javier; Rio Tinto on the Hunt for Cash [tahiry] ; 2009/04/06, Ed : Forbes.com, notsidihina 2009/04/07
  24. Rio Tinto Plc Ord 10P [tahiry]; London Stock Exchange – Detailed Prices; London Stock Exchange ; consulté 2009/03/11
  25. S&P/ASX 200 Fact Sheet [tahiry] ; Standard & Poor's, PDF, 2009/03/11
  26. Norwegian Ministry of Finance (92008). "The Government Pension Fund divests its holdings in mining company".
  27. MacAlister, Terry (9 September 2008). "Ethical business: Norway ejects mining giant Rio from its pension portfolio". The Guardian. UK. notsidihina 10 Septambra 2008.
  28. "Norway blacklists miner Rio Tinto". BBC News. 10 September 2008. Notsidihina 9 Avrily 2009.
  29. Lea, David (1999). "Corporate and Public Responsibility, Stakeholder Theory and the Developing World". Business Ethics: A European Review. 8 (3): 151–162. doi:10.1111/1467-8608.00143.
  30. Curtis, Mark (November 2007). "Fanning the Flames" (PDF). Fanning the Flames. War on Want. Archived from the original (PDF) on 22 December 2009. Notsidihina 10 Avrily 2009.
  31. "Locked-out Rio Tinto borax miners in U.S. get support". Reuters. 25 February 2010. Notsidihina 24 Febroary 2010.
  32. "Shehla Masood Case solved".
  33. "Letters by Shehla Masood on Illegal mining".
  34. "Shehla Masood's last interview".
  35. "RTI activist shot dead"
  36. "Tate and Lyle Award for Sustainable Development". Worldaware. 1993. Tahiry
  37. "The Rio Tinto Award for Long-Term Commitment". Worldaware. 1999. Archived from the original on 23 July 2001. Notsidihina 10 Avrily 2009.
  38. "About Worldaware". Worldaware.org.uk. Archived from the original on 17 February
  39. Client Earth. "Rio Tinto's greenwash challenged in first big test of UK's company reporting regulator". Archived from the original on 14 April 2013. Notsidihina 8 Avrily 2011.
  40. Campbell, Logan (28 October 2008). "Rio Tinto greenwashing bad record". The Daily Utah Chronicle. Notsidihina 9 Avrily 2011
  41. Bruno, Kenny. "The UN's Global Compact, Corporate Accountability and the Johannesburg Earth Summit". CorpWatch. Notsidihina 1 Avrily 2011.
  42. "Rio Tinto bribery case advances in China - CNN.com". Notsidihina 14 Avrily 2017.
  43. Barboza, David (29 March 2010). "Stiff Sentences Given to Rio Tinto Employees in China". The New York Times. ISSN 0362-4331. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  44. "TRACE Compendium - RIO TINTO GROUP". www.traceinternational.org. Retrieved 14 April 2017.Ererere
  45. "SEC Said to Probe Rio Tinto on Mozambique Deal Impairments". Bloomberg.com. 28 November 2016. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  46. 46,0 et 46,1 "French claims Rio's consultant working 'hand in hand' with officials in Guinea". Financial Review. 2 December 2016. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  47. Samb, Sonali Paul and Saliou. "Rio Tinto suspends senior executive after Guinea investigation". Reuters UK. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  48. "Sacked Rio Tinto exec hits back over Guinea bribery scandal". The Telegraph. Notsidihina14 Avrily 2017.
  49. "Audio recordings drag Guinea president into mine bribery scandal - France 24". France 24. 1 December 2016. Retrieved 14 April 2017.
  50. Pash, Chris (3 March 2017). "Rio Tinto's retiring CEO Sam Walsh is having problems with his bonus". Business Insider Australia. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  51. "Rio Tinto Offered Bribe for Mine, Ex-Guinea Minister Says". Bloomberg.com. 18 November 2016. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  52. "Subscribe | theaustralian". www.theaustralian.com.au. Notsidihina 14 Avrily 2017.
  53. "UK's SFO says opens investigation into Rio Tinto Group". Reuters. 24 July 2017. Notsidihina 3 Janoary 2018.
  54. Staff; Reuters (25 July 2017). "SFO says it is investigating Rio Tinto over Guinea operations". The Guardian. ISSN 0261-3077. Notsidihina 3 January 2018.
  55. AFP. "UK Serious Fraud Office probes Rio Tinto Guinea project". The Citizen. Notsidihina 3 Janoary 2018.
  56. "Subscribe to read". Financial Times. Notsidihina 3 Janoary 2018.
  57. Knight, Elizabeth (22 June 2017). "Rio Tinto's governance a fiasco as director charged with fraud". The Sydney Morning Herald. Notsidihina 3 Janoary 2018.