Ilmenita

Avy amin'i Wikipedia
Ilmenita

Ny ilmenita dia karazana mineraly ahitana taharo ôksida-na vy sy titanina, izay manana ny raikipohy ara-tsimia FeTiO3. Mavesatra ny ilmenita. Mety mahatratra 25 sm ny halavan' ny kristaliny izay lavalava, matetika mifangaro amin' ny vaton' andriamby. Ahitana azy miparitana koa ny any anaty fasika. Mineraly matroka ny ilmenita, nefa manjelatra toy ny metaly. Manana hamafy 5 hatramin' ny 6 ny ilmenita sady manana hakitroka miohatra amin' ny rano 4,5 hatramin' ny 5. Mora fantatra ny ilmenita amin' ny fisian' ny anjan' andriamby kely ao aminy. Ity mineraly ity no loharano lehibe indrindra ahazoana ny diôksida-na titanina (TiO2), izay ampiasaina amin' ny fanamboarana fanomezan-dokony ny feta fandokoana sy amin' ny fandrakofana ny teza faninginana (frantsay: baguettes) ary amin' ny fanamboarana ny titanina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]