QIT-Fer et Titane

Avy amin'i Wikipedia

Ny QIT-Fer et Titane, izay atao hoe koa Rio Tinto Fer et Titane, izay fantatra tany aloha tamin'ny anarana hoe QIT (Quebec Iron and Titanium corporation) dia orinasa kebekoazy, izay sampan'ny orinasa mpitrandraka iraisam-pirenena tao hoe Rio Tinto.

Ny tena asa sahaniny dia ny fitrandrahana sy ny fanodinana ny ilmenita izay akora misy titàna. Roa ny toerana lehibe anaovan'ny QIT-Fer et Titane ny fitrandrahana:

  1. ny fitrandrahana ilmenita ao amin'ny farihy Tio eo akaikin'i Havre-Saint-Pierre ao avaratr'i Quebec sady manadio ny akora azo izy (dioksidana titàna sy fonty sy fanitso ary metaly hafa koa) ao amin'ny tapany atsimon'i Quebec. Tamin'ny taona 2008, ny fihadiana sy ny fitaterana ny akorana ilmenita dia nampiasa olona 300.
  2. ny fanodinana akoram-by ao Saint-Joseph-de-Sorel, mifanefitra amin'i Sorel-Tracy any Kanada, izay mamokatra akora misy titàna sy metaly. Ny vokatra sasany dia vokarin'ny atao hoe Poudres Metalliques du Québec, izay orinasa miray aminy ihany. Io toeram-pitrandrahana io izay sahanin'ireo orinasa roa ireo dia mampisa olona miisa 1750 tamin'ny taona 2008[1]. Manodina ny akorana ilmenita avy ao amin'ny farihy Tio izy. Nanomboka tamin'ny 2009, dia nampiasa koa ny ilmenita avy eto Madagasikara izy izay trandrahan'ny zanak'orinasan'i Rio Tinto ihany koa, dia ny QIT Madagascar Minerals ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy:[hanova | hanova ny fango]

  1. Rio Tinto Fer et Titane, Rapport de développement durable 2008.