Base Toliara

Ny Base Toliara dia orinasam-pitrandrahana harena an-kibon' ny tany, dia ny fasimainty (ahitana ilmenita, zirkôna, rotila, ary mônazita betsaka) amin' ny alalan' ny tetikasa Ranobe. Nisolo ny Toliara Sands ity orinasa ity, nefa mbola tsy afaka miasa, any amin' ny Faritra Antsimo-Andrefana. Nanorina ny tokony ho foibeny any amin' ny 50 km avaratry ny tananan' i Toliara ary 12 km miala ny Lakandranon' i Môzambika[1] ao amin' ny Alan' i Ranobe, ny Base Toliara. Tany am-boalohany dia notarihin' ny orinasa aostraliana Base Resources ilay tetikasa ary noraisin' ny orinasa amerikana Energy Fuels Inc. tamin' ny taona 2024[2][3][4].
Nandova ny olana nosedrain' ny Toliara Sands (nanomboka tamin' ny taona 2018) io orinasa io, noho ny fisakanan' ny mponina ao amin' ny faritra manodidina ny toeram-pitrandrahana (indrindra fa ny foko Masikoro sy Mikea ary Vezo), izay tsy manaiky ny mety ho fahasimban' ny tontolo iainany sy ny kolontsainy ary ny asa fivelomany (fambolena sy fiompiana ary jono)[5][6]. Izany moa no anisan' ny antony naharava tanteraka ny tetikasa Toliara Sands, na ny anarany fotsiny, ka lasa ity tetikasam-pitrandrahana Base Toliara ity indray no nandimby azy, nefa nikatona koa alohan' ny hisokafany indray tamin' ny Nôvambra 2025[7][8][4]. Kaominina telo ao amin' ny distrikan' i Toliara II[9] no voakasika mivantana amin' ity fitrandrahana ity, dia Ankilimalinike[8][10], i Tsianisiha[11], i Benetse[12], ary i Maromiandra[13]. Toraka izany koa i Toliara I[14] sy Belalanda[15].
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Taompolo 1990 - 2000: fiantombohan' ny tetikasa Toliara Sands
[hanova | hanova ny fango]Tany amin' ny taompolo 1990 no natomboka ny tetikasa fasimaity Ranobe tamin' ny anarana hoe Toliara Sands. Niompana amin' ny fikarohana sy fanombanana ny harena an-kibon' ny tany ny hetsika tamin' izany, tamin' ny alalan' ny World Titanium Resources (WTR)[16], fa tsy nisy tena fitrandrahana. Ny tahirin' i Ranobe dia hita tamin' ny taona 1999, vokatry ny asa fikarohana nataon' ny WTR. Nisy fandavahana fanampiny natao tamin' ny taona 2000 sy 2001 ary 2003, ka nahafahana namaritra ny zava-misy rao Ranobe. Teo anelanelan' ny taona 2003 sy 2009 dia niara-niasa tamin' ny Exxaro Resources Ltd ny WTR. Na izany aza, noho ny tsy fahafenoan' ny fepetra fampiasam-bola sy ny faharatsian' ny toekarena maneran-tany dia nanapaka ny fiaraha-miasa ny Exxaro tamin' ny Jolay 2009[17].
2012–Fandalinana ny fahazoa-manao
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny volana Aogositra 2012 dia vita ny fandinihana injenieria farany (Definitive Engineering Study), izay nanamafy ny fahafaha-manao ara-teknika ilay tetikasa. Tamin' ny volana Janoary 2017 dia nisy fanadihadiana ny fahafaha-manao farany natomboka mba hanamarinana ny fiheverana ny ho fampitomboana ny vokatr' ilay tetikasa ho 12 tapitrisa taonina isan-taona[16][17].
2014: Nitombo ny fanoheran' ny mponina
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taona 2014 dia noraisin' ny orinasa aostraliana Base Resources ny tetikasa, izay namorona ny sampana Base Toliara hitantana ny asa. Niteraka fanoheran' ny fokonolona teny an-toerana, indrindra ny tao amin' ny kaominina Tsianisiha sy Ankilimalinike ary Benetse, ity fifohazana indray ity. Ny mponina, indrindra ny mpamboly sy ny mpiompy ary ny mpanjono, dia natahotra ny fiantraika ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialin' ilay tetikasa, toy ny fandripahana ala sy ny fandotoana ny tany sy ny rano, ary ny fahaverezan' ny asa fivelomany. Nanohana ireo fokonolona ireo ny fikambanan' ny fiarahamonim-pirenena, toy ny Collectif TANY sy ny CRAAD-OI, amin' ny fanoherany ilay tetikasa[18][19].
2017: Fahazoan' ny Base Resources fandraisana anjara
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Desambra 2017 dia nahazo fandraisana anjara amin' ny renivola 85 % tao amin' ny tetikasa Toliara Sands ao amin' ny World Titane Holdings Limited ny Base Resources[17][16].
2019: Fampiatoana ny tetikasa nataon' ny fanjakana malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny 6 Novambra 2019 no nampiato ny tetikasa Base Toliara ny fanjakana malagasy noho ny fiahiana ny tontolo iainana sy ny sôsialy, ary ny zavatra tsy mazava momba ny tombontsoan' ny Malagasy. Notapahina taorian' ny fihetsiketsehana mahery vaika, izay nandorana ny biraon' ilay orinasa, izany. Noraran' ny manampahefana ihany koa ny filazana rehetra mifandraika amin' ilay tetikasa[20][21].
2020: Fanadihadiana nataon' ny Fitsarana Kaonty
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 9 Septambra 2020 dia namoaka tatitra manakiana ny fitantanan' ny fanjakana an' ilay tetikasa ny Fitsarana Kaonty eto Madagasikara. Navoitran' ilay tatitra ny tsy fanarahan-dalàna amin' ny fanomezana alalana, ny zo momba ny fananan-tany, ny fitantanana ny faritra arovana ary ny fifampidinihana amin' ny mponina any an-toerana. Ity tatitra ity dia nanamafy ny antso avy amin' ny ONG maro izay nitaky ny hampitsaharana tanteraka ilay tetikasa[20][21].
2022: Fisokafana amin' ny fifanakalozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taona 2022 dia nisy mpanohitra ny tetikasa, anisan' izany ny mpikambana ao amin' ny fikambanana Mazoto sy ny fikambanan' ny mpajono Zanadriake, izay naneho ny fahavononany hifampidinika amin' ny orinasa Base Toliara. Nilaza ho manohana fepetra momba ny sehatry ny asa eo an-toerana sy ny fanonerana ara-bola ary ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa sôsialy izy ireo[22].
2024: Fanafoanana ny fampiatoana sy fanohizana ny tetikasa
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 27 Nôvambra 2024 no nesorin' ny fanjakana malagasy ny fampiatoana ilay tetikasa Base Toliara, taorian' ny fifampiraharahana tamin' ilay orinasa sy ny fanoloran-tena hanalefaka ny fiantraikany ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy. Izany da namela ny famerenana indray ny asa fampirosoana. Noraisin' ny Antenimieran' ny Harena an-Kibon' ny Tany eto Madagasikara (Chambre des mines de Madagascar) sy ny Fikambanan' ny Mpandraharaha eto Madagasikara (Groupement des entreprises de Madagascar) izany fanapahan-kevitra izany, izay heverin' izy ireo ho azp enti-mampandroso ara-toekarena ny faritra[23].
2025: Nipoitra indray ny fihenjanana sy ny famoretana
[hanova | hanova ny fango]Na dia eo aza ny famerenana ny tetikasa dia mbola misy ny disadisa. Tamin' ny 23 Marsa 2025 dia nisy fihetsiketsehana am-pilaminana manohitra ilay tetikasa izay nanaovan' ny mpitandro filaminana fisakanana amin-kerisetra. Tamin' ny 25 Marsa dia nosamborina sy notanana any amin' ny toerana tsy fantatra ny kôlônely Fanampera, izay anisan' ny mpitarika ny mpanohitra ilay tetikasa. Nampangain' ny fikambanan' ny fiarahamonim-pirenena ho fanitsakitsahana ny zon' olombelona ireo fihetsika ireo ary nangataka ny hamoahana haingana ireo izay voasambotra izy ireo[24][25][26].
2025–2026: Fiomanana amin' ny dingan' ny fanorenana
[hanova | hanova ny fango]Hatramin' ny nanafoanana ny fampiatoana dia nanohy ny asany ny Base Toliara, anisan' izany ny hetsika ara-tsôsialy any amin' ny kaominina voakasika. Hanomboka amin' ny fiandohan' ny taona 2026 ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa. Mikasa ny hanohy indray ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana sy ny fanonerana ny tany ao anatin' ny efatra ambin' ny folo volana ilay orinasa[27][28].
Mombamomba ilay orinasa
[hanova | hanova ny fango]Ny fitsanganany
[hanova | hanova ny fango]Tetikasa fitrandrahana harena an-kibon' ny tany izay mitrandraka fasika ahitana mineraly misy ilmenita sy zirkôna ary rotila ny tetikasa Ranobe, izay natomboky ny orinasa Toliara Sands. Tokony ho 50 km any avaratr' i Toliara, ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana eto Madagasikara no misy azy. Ity tetikasa ity dia nahazo fahazoan-dalana fikarohana voalohany tamin' ny taona 2001, sy fahazoan-dalana roa momba ny fitrandrahana tamin' ny taona 2012, ary fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana tamin' ny taona 2015.
Toetoetrany ara-teknika
[hanova | hanova ny fango]Ny tahiry lehibe, antsoina hoe Ranobe, dia misy loharanon-karena an-kibon' ny tany tombanana ho 2,58 lavitrisa taonina ary ny 4,3 % amin' izany dia mineraly mavesatra. Tombanana ho 904 tapitrisa taonina ny tahiry azo trandrahana izay misy mineraly mavesatra 6,1 %, izay miantoka ny faharetan' ny fitrandrahana mandritra ny 38 taona. Io tetikasa io dia manantena famokarana isan-taona ilmenita 780 000 taonina sy zirkôna 53 000 taonina ary rotila 7 000 taonina[29][8].
Faharetany
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny voalohany, fony mbola Toliara Sands no anaran' ilay tetikasa, dia neretreretina haharitra 20 taona aloha ny tetikasa Ranobe, ary hitrandraka ny 30 % eo ho eo amin' ny loharanon-karena fototra, ka afaka miitatra hatramin' ny 60 taona ny faharetan' ny fitrandrahana. Tamin' ny famelan' ny fanjakana indray ilay orinasa hanohy ny fitrandrahany dia noheverina haharitra 38 taona ny fitrandrahana[8][29].
Fomba fiasa sy fotodrafitrasa
[hanova | hanova ny fango]Tsy hampiasa rano ny fomba fitrandrahana hampiasaina fa amin' ny fomba maina. Hokarakaraina ao amin' ny orinasa fanizinana voalohany ary avy eo ao amin' ny orinasa fanasarahana akora ny mineraly, tsy misy akora simika.
Anisan' ny fotodrafitrasa lehibe ny lalana mirefy 55 km miala ny toeram-pitrandrahana sy miampita ny onin' i Fiherenana, ary koa ny serana-madinika vaovao hahafahan' ny sambo miantsona anaty rano manana halalina mihoatra ny 12 m any Andaboy (toerana misy tora-pasika malalaka amoron-dranomasina ao Toliara), hanondranana ny harena an-kibon' ny tany.
Tombontsoa mety haterany
[hanova | hanova ny fango]Fampiasam-bola sy fidiram-bola
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ilay tetikasa mbola nosahanin' ny Toliara Sands, araka ny filazan' ny tomponandrakitr' ilay orinasa, dia hitondra fidiram-bola be ho an' i Madagasikara ity tetikasa ity, ary hanome tosika ara-tsôsialy sy ara-toekarena vaovao ho an' ny faritra iorenany. Vola mitentina 500 000 dôlara isan-taona no hatokana ho an' ny fandaharan' asa ho an' ny mponina eny ifotony, rehefa mamokatra ilay toeram-pitrandrahana.
Rehefa niova ho Base Toliara ilay tetikasa dia nanombana ho 700 tapitrisa dôlara amerikana ny fitambaran' ny fampiasam-bola[14], ka 5 lavitrisa dôlara ny tombotsoa ara-toekarena ho azon' i Madagasikara mandritra ny fotoana hampisy ilay tetikasa. Mety hahatratra 180 tapitrisa dôlara isan-taona ny vola miditra amin' ny fanjakana malagasy rehefa mandeha tsara ny asa fitrandrahana[30][7][31][32].
Hiteraka asa
[hanova | hanova ny fango]Nilaza ny Toliara Sands fa, mandritra ny dingana fananganana, izay hampiasana ny maro indrindra amin' ny olona, dia hiteraka asa eo amin' ny 1 000 eo ho eo ity tetikasa ity, ary asa 150 no hiforona ao anatin' ny sehatry ny hetsika ara-tsôsialy sy ara-tontolo iainana. Ny Base Toliara dia hamorona asa mivantana sy ankolaka maherin' ny 5 000, ka homena laharam-pahamehana ny mponina ao an-toerana[30][7][31][32]. Betsaka lavitra noho io ny isan' ny mponina ao amin' ireo tanàna ireo[33].
Ny olana
[hanova | hanova ny fango]Olana momba ny tontolo iainana
[hanova | hanova ny fango]Taratra radiôaktifa
[hanova | hanova ny fango]Atahorana hisy ny fivoahan' ny taratra radiôaktifa ety ivelan' ny tany izay mety hisy fiantraikany amin' ny fahasalaman' ny mponina ao amin' ny tanàna manakaiky ny toeram-pitrandrahana. Izany dia hahazo ny rano indrindraindrindra[34] nefa tsy fantatra ny mety ho herin' izany. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin' ny Toliara Sands teo aloha sy ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires (INSTN) izay nanao fikarohana momba ny mety ho vaikan' ny taratra radiôaktifa havoakan' ilay fitrandrahana fasimainty sy momba ny mety ho fiantraikan' ny fitrandrahana ny fasimainty amin' ny tontolo iainana[34].
Fanahiana momba ny Ala Mikea
[hanova | hanova ny fango]Niteraka fanahiana momba ny tontolo iainana ilay tetikasa. Eo akaikin' ny Ala Mikea, izay faritra arovana fonenan' ny zavamananaina isan-karazany tsy manam-paharoa, mantsy no misy azy io[8][5][35][36].
Fandotoana ny tontolo iainana
[hanova | hanova ny fango]Ny fanadihadiana natao dia nanasongadina ny loza mety hateraky ny fandripahana ny ala, ny fandotoana ny tany sy ny rano, ary koa ny fiantraika amin' ny mponina eo an-toerana, indrindra fa ny Mikea. Izany indrindra no nahatonga ny fampiatoana ilay tetikasa tamin' ny taona 2019[8][5][35][36].
Miahiahy ny mponina ny amin' ny mety ho faharitan' ny tahirin-drano ambanin' ny tany amin' ny faritra hanaovana ny fitrandrahana, izay mety hiteraka tsy fahampian' ny rano tokony hampiasain' ny mponina, noho ny fisian' ny fitrandahana any amin' ny toerana ambony kokoa noho ny toeram-ponenan' ny mponina (Ankililoaka sy Ankilimalinika). Mety hidiran' ny ranomasina ny tahirin-drano ambanin' ny tany raha lany ny ranomamy ao anatiny ka rano masira no hosotroin' ny olona.
Ho faty ny zavamaniry miantoka ny sakafon' ny Mikea mbola mivelona any anaty ala, anisan" izany ny fakan-javamaniry fihinana toy ny baboho na babò (karazan-javamaniry ao amin' ny Dioscorea)[34]. Tsy haniry araka ny maha zavamaniry anaty ala azy intsony ny zavamaniry fihinan' ny Mikea sy ny mponina hafa amin' ny tsy fisian-tsakafo mandritra ny hain-tany[34].
Tsy fahampian' ny fampahalalana
[hanova | hanova ny fango]Etsy an-daniny dia mampihiahy ny mponina ny tsy filazan' ny tompon' andraikitry ny orinasa sy ny fanjakana malagasy afa-tsy ny tombontsoa sy ny lafy tsaran' ny fitrandrahana, fa tsy mba misy firesahana momba ny mety ho voka-dratsin' izany.
Izany ahiahy rehetra izany dia hamafisinin' ny zava-mitranga any amin' ny toeran-kafa eto Madagasikara misy fitrandahana harena an-kibon' ny tany itrangana olana eo amin' ny fanjakana malagasy na ny orinasa mpitrandraka sy ny mponina izay mahatsiaro voahitsakitsaka zo amin' ny fakana ny taniny sy ny antsonjay maro, indrindra ny fahenoana ny zava-mitranga any Tôlagnaro momba ny olana nateraky ny orinasa QIT Madagascar Minerals (QMM) mpitrandraka fasi-mainty ihany koa[34].
Fanoherana ny fitrandrahana
[hanova | hanova ny fango]Mitsipaka ny fitrandrahana fasimainty any aminy ny mponina any amin' ny distrikan' i Toliara I sy Toliara II[37]. Anisan' ny mpikatroka amin' ny fanoherana ny fitrandrahana ny fasimainty eo amin' ny tanin' ny Mikea i Théo Rakotovao, mpanakanto malagasy fantatra amin' ny anarana hoe "Mikea", tamin' ny alalan' ny fananganany ny fikambanana atao hoe MAZOTO (fanafohezana ny hoe "Miaro Aina – ZOn' olombelona – TOntolo iainana"), izay tsy mankasitraka ny hanaovana fitrandahana eo amin' ny toerana misy ny fasan-drazana sy mirakitra ny harena ara-kolontsain' ny vahoaka any Atsimo[34].
Anisan' ny nanohitra ny fitrandahana koa ny solombavambahoaka Raharoarilala Tinoka Roberto, niaraka amin' ny mpiray antoko aminy, izay antoko mpanohitra ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina tamin' ny fotoan' androny, nilaza fa fandripahan-taranaka toy ny nataon' i Hitler ny fitrandrahana kasaina hatao ao amin' ny tanindrazany[38]. Tsy latsa-danja noho izany koa ny fanoheran' ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko ilay tetikasa[39]. Niditra an-tsehatra amin' ny fitarihana ny fanoherana ny fitrandrahana ny kôlônely efa misotro ronono Rehosy Rodney Fanapera[40].
Mitohy sy mitombo ny fanaovana fihetsiketsehana ao Toliara I tao amin' ny torapasik' Andaboy izay nanehoan' ny mponina ny tsy fankasitrahany ny fitrandrahana kasain' ny Base Toliara hatao[41][42][43]. Tsy eken' ny mpanao fihetsiketsehana tarihin' i Théo Rakotovao sy ny kôlônely Fanapera ny fanaovana varo-boba ny tanin' izy ireo[44][45].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Rio Tinto
- QIT-Fer et Titane
- QIT Madagascar Minerals
- Jean-Raymond Boulle
- Siteny Randrianasoloniaiko
- Pan African Mining
- Tantalus Rare Earths
- Madagascar Wuhan Iron and Steel Corporation (WISCO)
- Ambatovy
- Red Island Minerals
- Fitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto Madagasikara
- Ala Mikea sy Alan' i Ranobe
Fanovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]Lalàna
- "Loi-n°-99-022-portant-Code-minier", www.assemblee-nationale.mg
- "Loi-n°-2023-007-Code-minier", www.assemblee-nationale.mg
Samihafa
- "Madagascar : manifestation à Tuléar contre le projet "Toliara Sands"", information.tv5monde.com, 24/08/2018
- "Projet d'exploitation d’ilménite : « Base Toliara » apporte des précisions", Business and Human Right Ressources Centre, 06/03/2019.
- "Base Toliara : le projet pourrait entrer en production, d’ici 2021", Trésor public malagasy, 26/03/2019.
- "Procès des 9 citoyens qui s'opposent au projet d'exploitation d'ilménite Base Toliara (Madagascar). Communauté du CRAAD-OI et du Collectif Tany 13 Juin 2019", www.agter.asso.fr, 13/06/2019
- "Justice a été rendue aux 9 citoyens qui s'opposent au projet d'exploitation d'ilménite Base Toliara dans le District de Toliara II", craadoimada.com, 13/06/2019
- "Basa Toliata: Des natifs de Toliara font appel à l' Etat Archived Desambra 28, 2022 at the Wayback Machine", Madagascar Tribune, 24/09/2019.
- "Le Projet Base Toliara suspendu", Madagascar Tribune, 07/11/2019.
- "Grandes mines - Base Toliara et Kraoma SA, toujours dans l'impasse", L'Express de Madagascar, 04/01/2022.
- "Projet minier - Des opposants à Base Toliara s'ouvre au dialogue", L'Express de Madagascar, 27/07/2022.
- "A Propos - Base Toliara", Base Toliara.
- "Projet minier - Base Toliara en mode séduction", La Vérité, 26/07/2022.
- "Good news for Base Resources’ Toliara project in Madagascar", Mining Revew Africa, 22/08/2022.
- "L'Etat suspend le projet Base Toliara", www.moov.mg, 06/11/2019
- "Ilménite de Ranobe - Manifestation controversée contre Base Toliara", www.lexpress.mg, 21/03/2024
- "Base Toliara : Manifestations controversées à Ankilimalinike", Toliara 601, 21/03/2024
- "Manifestation - Un leader opposant à Base Toliara arrêté", www.lexpress.mg, 30/08/2024
- "Madagascar: Projet minier - Des responsables fustigent l'opposition à Base Toliara", fr.allafrica.com, 31/08/2024
- "Newsletter n°220 (FR), Madagascar: Le projet minier Base Toliara doit être arrêté définitivement", Tany, 4/09/2024
- "Reprise de Base Toliara : Masikoro, Vezo, Tanalagna, Antandroy… à l’unisson", newsmada.com, 06/09/2024
- "Appel a l’action : solidarité contre le projet integré Base Toliara soutenu par Energy Fuels à Madagascar - signez la lettre ouverte !", www.cadtm.org, 28/10/2024
- "Base Toliara : 778 millions de dollars d’investissements, première production en 2028", midi-madagasikara.mg, 7/12/2024
- "À Madagascar, la société civile se mobilise contre la mine Base Toliara", ccfd-terresolidaire.org, publié le 18/11/2024 et mis à jour le 24/01/2025
- "Réconciliation autour de Base Toliara - L'Unité des acteurs locaux pour le développement", www.moov.mg, 15/01/2025
- "Secteur minier - Base Toliara en quête de paix sociale", www.lexpress.mg, 25/02/2025*
- "Base Toliara : Des natifs de Toliara font appel à l’Etat", madagascartribune.vahiny.com
- "Les sociétés civiles réclament la libération immédiate du colonel Fanampera", www.agencemalagasydepresse.com
- "PROJET MINIER : Suspension de Base Toliara", www.agencemalagasydepresse.com
- "SUSPENSION DU PROJET BASE TOLIARA : Une décision salutaire et emblématique", www.agencemalagasydepresse.com
- "Gouvernance du secteur minier à Madagascar : La Cour des Comptes épingle le projet Base Toliara pour de lourdes irrégularités dénoncées par les communautés locales et la société civile", craadoimada.com
- "Stop au harcèlement des défenseurs des droits des communautéaffectées par le projet minière de Base Toliara et à la répression des manifestants pacifique.", craadoimada.com
- "Madagascar : Toliara Sands, un projet minier à 2 milliards de dollars divise", www.agenceecofin.com
Vidéo
- "Madagascar: The Mikea and Vezo's Battle to Preserve Their Way of Life | SLICE | FULL DOC", www.youtube.com (amin' ny teny anglisy)
- "Exploitation minière //Base Toliara//PK32 Toerana arovana ao Ranobe", www.youtube.com (amin' ny teny malagasy)
- "Mafanafana ny ady amin' ny Base Toliara amin' izao fotoana izao, mikotontana ny raharaha❗", www.youtube.com
- "Madagascar : manifestation à Tuléar contre le projet "Toliara Sands"", www.youtube.com
- "Interview du Collectif Tany sur le projet Toliara Sands", www.youtube.com
- "Info K Mada : Suivi base Toliara du 28 Février 2019 by KOLO TV", www.youtube.com*
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Canalnews Madagascar, "Fikambanana Masikoro (Mikea) : mitsipaka ny tetik’asa fitrandrahana ataon’ny orinasa Toliara Sands" Archived Martsa 24, 2025 at the Wayback Machine, 25 Marsa 2015. Notsidihina tamin'ny 23/09/2018.
- ↑ "Le projet Toliara Sands", toliarasands.com
- ↑ "GRANDES MINES - Base Resources rachetée par Energy Fuels", www.lexpress.mg
- 1 2 "Le projet Toliara Sands", toliarasands.com
- 1 2 3 "À Madagascar, la société civile se mobilise contre la mine Base Toliara", ccfd-terresolidaire.org
- ↑ "Appel a l’action : solidarité contre le projet integré Base Toliara soutenu par Energy Fuels à Madagascar - signez la lettre ouverte !", www.cadtm.org, 28/10/2024
- 1 2 3 "SECTEUR EXTRACTIF - Les investissements miniers prêtent à l’optimisme", www.lexpress.mg
- 1 2 3 4 5 6 "Levée de la suspension des activités de Base Toliara", www.madagascar-tribune.com
- ↑ "Retour de Base Toliara: les communes de Toliara II lancent un appel de détresse", newsmada.com
- ↑ "Madagascar relance Base Toliara, son plus grand projet minier depuis une décennie", la1ere.franceinfo.fr
- ↑ "Base Toliara: les habitants s’impatientent sur la relance imminente du projet", newsmada.com
- ↑ "Un projet d’exploitation minière à Madagascar déclenche des manifestations et divise la communauté", fr.mongabay.com
- ↑ "Base Toliara: un espoir renaissant à Maromiandra", newsmada.com
- 1 2 "PROJET MINIER - 700 millions de dollars d’investissement pour Toliara", lexpress.mg
- ↑ "Retour de Base Toliara: les communes de Toliara II lancent un appel de détresse", newsmada.com
- 1 2 3 "World Titanium Resources – Home Page – ASX: WTR". 20 May 2017.
- 1 2 3 "Toliara Sands Project", www.worldtitane.com
- ↑ "PROJET MINIER : Suspension de Base Toliara", www.agencemalagasydepresse.com
- ↑ "Bras de fer entre Base Resources et les populations malgaches pour le projet Toliara", koragnaagny.org
- 1 2 "Madagascar’s top court criticizes government handling of mining project", news.mongabay.com
- 1 2 "SUSPENSION DU PROJET BASE TOLIARA : Une décision salutaire et emblématique", www.agencemalagasydepresse.com
- ↑ "Projet minier - Des opposants à Base Toliara s’ouvrent au dialogue", lexpress.mg
- ↑ "La reprise du projet Base Toliara saluée", www.capmad.com
- ↑ "Les sociétés civiles réclament la libération immédiate du colonel Fanampera", www.agencemalagasydepresse.com
- ↑ "Stop au harcèlement des défenseurs des droits des communautéaffectées par le projet minière de Base Toliara et à la répression des manifestants pacifique.", craadoimada.com
- ↑ "Madagascar: bras de fer entre des villageois et une société d’extraction minière", www.rfi.fr
- ↑ "Madagascar: Base toliara - La phase de construction au début de 2026", fr.allafrica.com
- ↑ "Toliara base – The construction phase at the beginning of 2026", www.dailyweby.com
- 1 2 "Toliara Project", baseresources.com
- 1 2 "Base Toliara - Des gains totaux pour Madagascar 5 milliards USD sur toute la durée de vie du projet", actu.orange.mg
- 1 2 "Projet Base Toliara : Des milliers d’emplois à pourvoir", www.capmad.com
- 1 2 "Développer un projet de sables minéralisés de classe mondiale à Madagascar", toliarasands.com
- ↑ Marihina fa tamin' ny taona 2025 dia tombanana ho nisy mponina miisa manodidina ny 17 000 Ankilimalinike, manodidina ny 22 800 i Tsianisiha, manodidina ny 13 700 i Benetse, ary manodidina ny 10 900 i Maromiandra. Izany dia manome tôtaly 64 400.
- 1 2 3 4 5 6 Agir avec Madagascar, "Les ressources en eau des Mikea menacées", 9 août 2013, notsidihina tamin'ny 23 /09/2018.
- 1 2 "La reprise du projet base toliara saluée", www.capmad.com
- 1 2 "Projet Base Toliara - Quatre mille emplois à pourvoir", www.lexpress.mg
- ↑ Canalnews Madagascar, "Fikambanana Masikoro (Mikea) : mitsipaka ny tetik’asa fitrandrahana ataon’ny orinasa Toliara Sands" Archived Martsa 24, 2025 at the Wayback Machine, 25 Marsa 2015. Notsidihina tamin'ny 23/09/2018.
- ↑ Marihina fa nivadika ny fomba fitenin' izy ireo taty aoriana ka nilaza indray fa miantoka ny hoavin' ny tanindrazany, indrindra fa ny tanora, ny fanatanterahana ilay fitrandrahana.
- ↑ "Base Toliara - La politique prend le dessus", www.lexpress.mg
- ↑ "Projet minière Base Toliara : Les sociétés civiles réclament la libération immédiate du colonel Fanampera", www.agencemalagasydepresse.com
- ↑ "Base Toliara: des manœuvres politiciennes derrière les troubles", newsmada.com
- ↑ "Atsimo Andrefana - Troisième manifestation contre le projet Base Toliara", www.lexpress.mg
- ↑ "Base Toliara : Le projet divise la population de Toliara", www.studiosifaka.org
- ↑ "Madagascar mine ignites protests, community division", news.mongabay.com
- ↑ "À Madagascar, l’accaparement des terres peut prendre des formes diverses", theconversation.com