Zirkôna

Avy amin'i Wikipedia
Zirkôna

Ny zirkôna dia mineraly tantera-pahazavana sy mangarahara na matroka, ahitana indrindra silikata-na zirkôniôma (ZrSiO4) sady miseho amin' ny endrika kristaly ao amin' ny rafitra efa-joro. Ny hamafiny dia 7,5 ary 4,2 hatramin' ny 4,86 ny hakitrony. Mety hiseho toy ny kristaly tsy misy loko na amin' ny loko manopy maitso, volondavenona, mena, manga, mavo na volontany ny zirkôna.

Anarany[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe zirkôna dia avy amin' ny teny arabo hoe zarqun (akora volavelona) na avy amin' ny teny persana hoe zargun ("volamena").

Toetrany[hanova | hanova ny fango]

Ny zirkôna dia mineraly ao amin' ny vondrona silikata, zana-bondron' ny nezôsilikata. Ao amin' ny taharo ZrSiO4, dia silikata-na zirkôniôma voajanahary izy io.

Ny zirkôna dia tena mahatohitra ny fahasimbana sy ny fiovana vokatry ny hafanana sy ny tsindry. Noho izany dia mora miforona indray izy na dia voakaoka ny vato nisy azy taloha, ka miangona anaty lempona faikan-tany amam-bato ary mety ho simba indray nefa tsy potika mandritra izany.

Rehefa iharan' ny hafanana ambony ny zirkôna dia miova loko ary mihamanjelatra kokoa. Ny zirkôna tsy misy loko, fantatra amin' ny anarana hoe zirkôna fotsy, dia manana fanjelatra manakaiky ny an' ny diamondra sy atao vatosoa, ary koa karazany manga, azo amin' ny fikarakarana azy amin' ny hafanana sady antsoina hoe zirkôna manga.

Fampiasana azy[hanova | hanova ny fango]

Ny karazana zirkôna tantera-pahazavana sy mazava mavo, mivolom-boasary, mena na volontany dia matetika atao vatosoa. Anisan' ny vatosoa fanao amin' ny firavaka ny kristaliny.

Ny fahatoherany fahasimbana no mahatonga azy io ho hany mineraly tsy mety simba mandritra ny fotoana lava dia lava (an' arivony tapitrisa taona) ka noho izany dia mineraly tena ilaina amin' ny fikajiana ny taonan' ny Tany izy. Ny zirkôna notrandrahana avy amin' ny Tany tranainy indrindra dia hita tao amin' ny Ginesin' i Narryer (anglisy: Narryer Gneiss; frantsay: Gneiss de Narryer) ao any Aostralia Andrefana, izay tombanana ho 4 400 tapitrisa taona. Izy ireo no sombin-bato tranainy indrindra eto amin' ny Tany, hita tamin' ny taona 2014.

Faritra misy azy[hanova | hanova ny fango]

Firenena mpamokatra zirkôna be indrindra

Ny zirkôna dia mineraly fanampiny hita amin' ny karazana vatolampy rehetra ary misy betsaka ao amin' ny vato misy silisy. Ny zirkôna koa dia matetika miaraka amin' ny volamena, amin' ny endrika madinika anaty renirano na eny amoron-dranomasina misy tora-pasika. Any Srilanka, eto Madagasikara, any Nôrvezy ary Aostralia no misy ny tahiry zirkôna lehibe indrindra. Ny tahiry zirkôna, izay miseho amin' ny endrika akora zirkôniôma, dia hita any Brezila, any Aostralia ary any amin' ny tapany atsimo amin' i Etazonia.