Red Island Minerals

Avy amin'i Wikipedia

Ny Red Island Minerals (RIM) dia orinasa mpitrandraka arintany izay manana ny foibeny any Perth any Aostralia Andrefana nefa miasa aty Madagasikara. Ny PTT Asia Pacific Mining Pty Ltd no manana azy 100 %[1], izay zanaky ny orinasam-panjakana tailandey atao hoe PTT Public Company Limited[2].

I Sam Malin no nanorina ny Red Island Minerals ka ny anarana hoe Petrosearch International no nentiny tamin' izany tamin' ny 02 Marsa 2005[1] [3]. Tamin' ny taona 2008 vao novana ho Red Island Minerals izany anarana izany (ara-bakiteny: "mineralin' ny nosy mena").

Mitrandraka ny arintany ao Sakoa any atsimo-andrefan' i Madagasikara ny Red Island Minerals[2]. Ny zanak' orinasany atao hoe Madagascar Consolidated Mining no tena misahana ny fitrandrahana[2]. Kely ny fandraisan' anjara ara-bolan' ny fanjakana malagasy amin' izany amin' ny alalan' ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS).

Ny saham-pitrandrahana arintany ao Sakoa[hanova | hanova ny fango]

Ao atsimo-andrefan' i Madagasikara no ahitana ny arintanin' i Sakoa izay nisy nahita voalohany tamin' ny taona 1908. Nisy fitrandrahana madinika tamin' ny andron' ny Ady Lehibe Faharoa. Ny fangadiana tamin' izay dia nahafaha-mamantatra fa mahatratra any amin' ny 12 metatra any ambanin' ny tany ny faritra azo anaovana ny fitrandrahana amin' ny toerana sasany[4]. Arintany ahazoana hafanana no hita ao, izay mitovy toetra amin' ny arintany aondrana avy ao Afrika Atsimo sady mety ho azo ampiasaina amin' ny foibem-pamokarana herinaratra any India sy any Eorôpa Andrefana[2]. Araka ny tombana natao amin' izao andro izao dia arintany 200 tapitrisa taonina no azo alaina ao nefa mety mihoatra ny 1 000 tapitrisa taonina ny tahirin' arintany ao.

Fitrandrahana tsy anaovana tonelina fa anaovana lavakabe mitanatana tsy misarona no heverina fa hitrandrahana ny arintany ao Sakoa[4] ary izany dia hahazoana 5 tapitrisa taonina amin' ny voalohany[5].

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 "Company Overview of Red Island Minerals Ltd". Bloomberg Business. Notsifihina ny 17/12/2015.
  2. 2,0 2,1 2,2 et 2,3 Praiwan, Yuthana; Wiriyapong, Nareerat (03 Marsa 2012). "PTT buys Madagascar coal mine in US$50-million deal". Bangkok Post. Notsidihina ny 16/12/2015.
  3. "Red Island Minerals Information". GreatMining. Notsifihina ny 17/12/2015.
  4. 4,0 et 4,1 "Red Island Minerals" Archived Oktobra 11, 2019 at the Wayback Machine. Coal Exploration Madagascar. VUNA Group. Notsidihina ny 17/12/2015.
  5. Geological Survey (01 December 2013). Minerals Yearbook: Area Reports: International Review: 2011, Africa and the Middle East. Government Printing Office. p. 26. ISBN 978-1-4113-3669-8.