Siteny Randrianasoloniaiko

Avy amin'i Wikipedia
Siteny Thierry Randrianasoloniaiko
Ankapobeny
Anarana Siteny Thierry Randrianasoloniaiko
Teraka 27 Jolay 1972
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Madagasikara
Asa :
Fiainana manokana

I Siteny Thierry Randrianasoloniaiko dia mpanao pôlitika sy mpandraharaha malagasy, izay efa solombavam-bahoakan' i Madagasikara, teraka tao Toliara tamin' ny 27 Jolay 1972, efa filohan' ny Vondrona Afrikanan' ny Judo sy efa filoha lefitry ny Federasiôna Iraisam-Pirenen' ny Judo.

Zotram-piainana[hanova | hanova ny fango]

Fahazazana sy fanabeazana[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny fianakaviana tsotra izy ary lehibe tao Tsianengea, ao Toliara. Teo amin' ny faha-12 taonany dia nahita judo izy. I Siteny Ebara no rainy ary i Ravaomaria. 14 izy ireo no iray tampo, ka i Siteny no fahatelo. Teo amin' ny faha-20 taonany, taorian' ny nahafatesan-drainy, dia niditra tao amin' ny sehatry ny asa fameloman-tena izy (fiitaterana rano sy fampanofana elo eny an-tsena, avy eo fivarotana firavaka).

Taorian' ny fianarany tany Afrika Atsimo sy ny fiofanany tany Etazonia dia niverina teto Madagasikara izy ka nanangana orinasa manokana momba ny fifandraisan-davitra sy ny haino aman-jery, mpamatsy karatra an-tariby manokana ho an’ ny mpandraharaha Airtel manerana an' i Madagasikara.

Fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Siteny Thierry Randrianasoloniaiko dia manambady an' i Nelly Mileva, avy any Bourgas any Bolgaria, izay nifankahita taminy tany Afrika Atsimo tamin' ny taona 2001. Manan-janaka 5 izy ireo.

Fandraharahana[hanova | hanova ny fango]

Namorona ny fahitalavitra TV Plus de Toliara tamin' ny taona 2012, avy eo nanagana radio tamin' ny taona 2013 ary fahitalavitra indray tamin' ny taona 2018, tao Toliara ihany koa. Tamin' io taona io ihany koa no nananganany ny British School of Madagascar tao Antananarivo.

Fanatanjahan-tena[hanova | hanova ny fango]

Imbetsaka izy no tompondakan' i Madagasikara ary voafantina imbetsaka teo anivon' ny ekipam-pirenena malagasin' ny taranja judo nanomboka ny taona 1990, izy no mpanazatra nasionaly talohan’ ny naha-filohan' ny Federasiôna Malagasin' ny Judo (frantsay: Fédération malgache de Judo) azy tamin' ny taona 2009. Izy koa no filohan' ny Kômity Ôlempika Malagasy (frantsay: Comité olympique malgache).

Izy no nitarika ny fikarakarana ny fiadiana ny ho tompondakan' i Afrika eo amin' ny taranja judo teto Antananarivo ny tamin' ny taona 2017 sy 2020. Nandrombaka fadresena izy tamin' ny fifidianana azy ho filohan' ny Vondrona Afrikanan' ny Judo (frantsay: Union africaine de judo) tamin' ny 18 Mey 2021 ary lasa filoha lefitry ny Federasiôna Iraisam-Pirenen' ny Judo (frantsay: Fédération internationale de judo) tamin' io fotoana io ihany.

Fanaovana pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Solombavam-bahoaka voafidy tao amin' ny fari-pifidianana voalohan' i Toliara, amin' ny anaran' ny tenany tsy miankina amin' antoko tamin' ny taona 2013, i Siteny no nitana ny toeran' ny kestora voalohany tao amin' ny Antenimierampirenena.

Voafidy indray ho solombavam-bahoakan' i Madagasikara izy tamin' ny taona 2019. Nanohitra mafy ny tetikasa fitrandrahana atao hoe Base Toliara, izay heveriny fa hanimba ny tontolo iainana, araka ny nambarany, izy.