Aller au contenu

Pirita

Avy amin'i Wikipedia
Pirita

Ny pirita dia mineraly izay aseho amin' ny alalan' ny raikipohy FeS2 (disolfida-na vy,) izay itoviany amin' ny markasita. Miseho matetika amin' ny endrika kristaly voafaritra tsara ny pirita nefa afaka miseho ho tsy manana endrika voafaritra koa. Ity mineraly ity dia miloko mavo varahina; matroka ary mitovy fanjelatra amin' ny metaly.

Ny teny hoe pirita dia avy amin' ny teny grika hoe πυρίτης / pyrítēs ("afo") sy λίθος / líthos ("vato") ka midika ara-bakiteny hoe "vaton' afo".

Amin' ny ankapobeny dia hita amin' ny fatra kely dia kely ao aminy ny metaly sarobidy toy ny volafotsy (Ag), ny volamena (Au) ary metaly mavesatra sy metalôida misy poizina toy ny nikela (Ni), ny kôbalta (Co), ny arsenika (As), ny varahina (Cu), ny fanitso (Zn ), ny taliôma (Tl), ny seleniôma (Se) ary ny vanadiôma (V), izay mahatonga ny fitrandrahana azy ho tena mandoto ny tontolo iainana.

Ny fitovitovian' ny pirita amin' ny volamena dia nahatonga ny olona maro hampifangaro ny volamena amin' io mineraly io. Tsy itoviany amin' ny volamena ny toetrany mora mitresaka sy ny hamafiny, izay miova eo anelanelan' ny 6 sy 6,5. Ny hakitrony dia 4,9 hatramin' ny 5,1. Mineraly fahita ao amin' ny vaton-dilatra ary hita ao amin' ny vato magmatika sy metamôrfika koa ny pirita. Matetika izy io no mifandray amin' ny arintany ary indraindray amin' ny volamena na ny varahina.

Hita betsaka eran-tany ny pirita; ny tahirina pirita any Espaina, any Pôrtogaly ary any amin' ny nosy Elba dia tena lehibe. Ny pirita dia zara raha ampiasaina ho akora fakana vy, afa-tsy any amin' ny firenena tsy manana vy, noho ny hasarotry ny fanesorana ny solifara ao aminy. Ampiasaina indrindra amin' ny famokarana asidra solfiorika sy solfatana varahina na solfatana vy ny pirita.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]