Aller au contenu

Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia rafitra miandraikitra ny fiantohana ny maha fenitra ambony indrindra ny lalàmpanorenana araka ny teôria momba ny ambaratongam-pitsipika. Koa mba hiantohana ny fanjakana tan-dalàna dia ilaina ny fanamarinana ny fifanarahan' ny lalàna amin' ny lalàmpanorenana amin' ny alalan' ny fanaraha-maso izany. Indraindray izy io dia mety hantsoina hoe Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana any amin' ny firenena sasany.

Niely nanerana an' izao tontolo izao ny môdelin' ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana tamin' ny taonjato faha-20, miaraka amin' ny fandaminana izay samy manana ny azy. Ohatra, ny fanaraha-maso ny lalàna dia azo atao mialoha na aoriana ny fandaniana azy. Mety atao ho an' ny manampahefana sasany, na misokatra ho an' ny olon-tsotra tsirairay, ny fitondrana raharaha eny amin' ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana. Manana fahefana ara-pitsarana hafa (eo amin' ny sehatry ny fifidianana, ohatra) na ara-pitantanan-draharaha ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana sasany.

Tsy mitovy amin' izay ampiasaina any amin' ny firenena manana fomban-dalàna anglô-saksôna ity môdely ity, izay anaovana ny fanaraha-maso ny fifanarahan' ny lalàna amin' ny lalàmpanorenana eo anatrehan' ny mpitsara tsotra, amin' ny fotoana andavanandro. Mifanohitra amin' izany ny mitranga ao amin' ny firenena sasany izay ahitana ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana izay mety manana ny fahefan' ny Fitsarana Tampony.

Indreto ny firenena ahitana io karazana fitsarana io: Afrika Atsimo, Albania, Alemaina, Angôla, Aotrisy, Armenia, Azerbaijàna, Bielôrosia, Belzika, Benîno, Bolgaria, Bôsnia-Herzegôvina, Ejipta, Ekoadôra, Espaina, Gabôna, Goatemala, Hôngria, Indônezia, Iràna, Italia, Jeôrjia, Jôrdania, Kazakstàna, Kirgizistàna, Kôety, Kôlômbia, Kôrea Atsimo, Kôsôvô, Krôasia, Letônia (na Latvia), Libànona, Litoania, Loksemborga, Malta, Mianmara, Môldavia (na Môldôva), Môngôlia, Môntenegrô, Nizera, Oganda, Okraina, Ozbekistàna, Pero, Pôlônia, Pôrtogaly, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Repoblika Dôminikana, Makedônia Avaratra, Romania, Rosia, Serbia, Sily, Singapôra, Siria, Slôvakia, Slôvenia, Sorinama, Tailandy, Taioàna, Torkia, Tsady, Tsekia, Zambia, ary Zimbaboe.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]