Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana amin' ny ankapobeny dia fahefana ambony indrindra momba ny lalàmpanorenana, izay tompon' andraikitra amin' ny fitandroana ny foto-kevitra sy ny fitsipika ao amin' ny lalàmpanorenana.

Ny tena asan' ny Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana dia ny manapaka raha mifanaraka amin' ny lalàmpanorenana ny lalàna lany tao amin' ny Antenimiera alohan' ny hanaovan' ny filohan' ny Repoblika azy sonia ka ho lasa lalàna azo ampiharina, na ny didy sy ny fitsipika hafa alohan' ny hampiharana azy raha misy ny fifanolanana momba izany. Arakaraka ny firenena dia tsy ny manam-pahefana na ny vondron' olona voatondro manokana ihany no afaka mitondra raharaha eny amin' ny Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana fa ny olom-pirenena tsirairay ihany koa.

Arakaraka ny firenena dia afaka mangataka amin' ny Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana ny olom-pirenena tsirairay mba hijerena raha mifanaraka amin' ny lalàmpanorenana ny lalàna ampiharina aminy.

Ny fanarahana ny lalàmpanorenana ihany koa dia mitaky ny fifanarahana amin' ny rijanteny hafa voalaza ao amin' ny sasintenin' ny lalàmpanorenana, indrindra ny "Fanambarana ny zon' olombelona sy ny olom-pirenena". Miantoka ny fanarahan-dalànan' ny fifidianana eo amin' ny firenena sy ny fitsapan-kevi-bahoaka koa ny Filankevitra momba ny Lalàmpanorenana.

Izao avy ny firenena ahitana ity andrim-panjakana ity: Alzeria, Borkina Fasô, Kambôja, Kamerona, Kôtidivoara, Etiôpia, Frantsa, Kazakstàna, Libàna, Marôka, Maoritania, Senegaly, Srilanka ary Tonizia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]