Fampiakarana an'i Maria

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Fampiakarana an'i Maria, nataon'i Fermo Ghisoni da Caravaggio tamin'ny taonjato faha-16.

Ny Fampiakarana an'i Maria any an-danitra, dia finoana ortodoksa sy katolika izay milaza fa i Maria renin'i Jesoa dia tsy maty sahala amin'ny be sy ny maro fa niditra avy hatrany any amin'ny voninahitr'Andriamanitra, ka lazaina koa ho "fiakarana any an-danitra".

Tsy misy fototra mivantana avy amin'ny Soratra Masina izany finoana izany nefa efa ela tao amin'ny Lovantsofin'ny Fiangonana tany Atsinanana sy tany Andrefana izay nanao nankalaza azy nanomboka tamin'ny taonjato faha-8. Ny Fiangonana tandrefana dia namaritra azy ho tenim-pinoana (na dogma) tamin'ny taona 1950 fa ny Fiangonana tatsinanana kosa dia tsy namaritra an'izany ho tenim-pinoana. Ny soratra ahitana an'io tantara io dia ireo soratra apokrifa na pseodepigrafa[1]. "Torimason'ny Renin'Andriamanitra" no ilazan'ny Ortodoksa an'izany fa tsy Fampiakarana.

Ao amin'ny Fiangonana katolika dia ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika ny Fampiakarana an'i Maria Virjina isaky ny 15 Aogositra ka matetika dia marihina amin'ny fanaovana filaharam-be izany. Ny Fiangonana anglikana dia tsy nankalaza intsony ny Fampiakarana an'i Maria nanomboka tamin'ny taona 1549 nefa ny 15 Aogositra dia natokany hankalazana an'i Maria Virjina tsy misy ifandraisany amin'ny nampakarana azy any an-danitra.

Valo andro aorian'ny fankalazana ny Fampiakarana an'i Maria no ankalazana an'i Maria Mpanjaka, izany hoe amin'ny 22 Aogositra.

Mitsipaka an'io fankalazana io ny fiangonana kristiana hafa. Ny Protestanta dia mitsipaka azy io noho izy tsy voalaza ao amin'ireo boky heveriny ho avy amin'ny tsindrimanidrin'Andriamanitra, dia ireo bokin'ny Testamenta Vaovao. Aminy dia fivavahana amin'i Maria izany ka sahala amin'ny fanompoan-tsampy. Manao fankalazana ihany ny Anglikana sy ny Loterana nefa tsy milaza izany ho Fampiakarana an'i Maria fa "fetin'i Maria" fotsiny.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Assomption", Microsoft Encarta 2009