Renin'Andriamanitra

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Kazan moscow.jpg

Ny anaram-boninahitra hoe Renin'Andriamanitra dia anarana omen'ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa an' i Maria renin' i Jesoa. Izany anarana izany dia notapahin' ny konsily tao Efeso (na Efesosy na Efezy) tamin' ny taona 431 nefa i Aleksandra avy any Aleksandria no nampiasa azy voalohany tamin' ny taona 325. Amin' ny fiteny grika dia ny hoe Θεοτόκος / Theotokos ("niteraka an' Andriamanitra") no dikan' io teny io. Noho i Maria niteraka an' i Jesoa (na Jesosy) izay inoan' izy ireo fa sady olona no Andriamanitra no mahatonga izany. Raha sady olona tokoa no Andriamanitra tokoa i Jesoa dia sady niteraka olona tokoa no niteraka Andriamanitra tokoa i Maria niteraka azy, hoy ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa.

Ny kônsily tao Kalkedôna[hanova | hanova ny fango]

Ny Kônsily tao Kalkedôna na Kônsily tao Kalsedoana dia kônsily ekiomenika fahaefatra teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao Kalkedona na Kalsedoana tamin' ny taona 430. Tamin' ity kônsily ity no nanambaràna ny fananan' i Jesoa natiora roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Ny emperora Teôdôsio II no nampanao io kônsily io. Nivoaka tamin' izany ny Fanekem-pinoanan'i Kalkedôna izay namaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra an' i Maria.

Ny fampianaran' ny fiangonana hafa[hanova | hanova ny fango]

Tsy mitovy ny fandraisan' ny Prôtestanta io anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamaitra" io.

Ny Loterana dia nihazona ny anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamanitra" (alemàna: Mutter Gottes na Gottesmutter), izay efa neken' i Martin Lotera sady ambara mazava ao amin' ny Fôrmiolan' ny Kônkôrda (1577), izay eken' ny Lutheran World Federation.

Tsy manaiky ny anaovana an'i Maria ho Renin' Andriamanitra ny Kalvinista. Ekeny ny maha renin' ilay olona atao hoe Jesosa an' i Maria fa toheriny ny maha renin' ilay Andriamanitra an' i Maria. I Jean Calvin dia mitsipaka ny fiantsoana an' i Maria hoe "Renin' Andriamanitra".

Ny fampianaran' ny antokom-pivavahana tsy mino ny Trinite dia mazava kokoa satria tsipahiny tanteraka ny fampianarana manao an' i Jesoa ho Andriamanitra. Isan' ireo fivavahana ireo ny Vavolombelon' i Jehovah.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]