Kristianisma ôrtôdôksa
(tonga teto avy amin'ny Kristianisma ortodoksa)
Ny kristianisma ôrtôdôksa dia fiombonan' ny fiangonana kristiana anisan' ny tranainy indrindra vokatry ny fivakisan' ny Fiangonana Lehibe voalohany noho ny tsy fitovian-kevitra ara-pitondrana sy ara-teôlôjia nisy teo amin' ny Fiangonana tatsinana sy ny Fiangonana tandrefana. Ny vakiny faharoa tamin' izany dia ny Fiangonana katôlika izay tsy iza fa ny Fiangonana tandrefana tany alohan' ny Refôrma prôtestanta. Mino ny Trinite ny Ôrtôdôksa nefa tsy niombon-kevitra tamin' ny Fiangonana katôlika ny amin' ny Fanahy Masina izay inoan' ny Ôrtôdôksa fa mipoitra avy amin' ny Ray ihany fa tsy amin' ny Zanaka koa (jereo: Filioque).