Fiangonana Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Eo amin'ny tantaran' ny Kristianisma, ny atao hoe Fiangonana Lehibe dia ny fiangonan' ny Kristiana avy amin' ny Jentilisa izay nihaniseho tamin' ny taona 100 taor. J.K. Amin' ny teny latina dia atao hoe Ecclesia Magna izany. Tokana tsy nizarazara ny Fiangonana tamin' izany andro izany sady nandroso nitombo. Lazaina hoe "Fiangonana Kely" ilay fiangonana kristiana avy tamin' ny Jiosy mbola nifanerasera tamin' ny Apostoly. Ny fotoana nampisy ny Fiangonana Lehibe dia mifanandrify amin' ny fielezan'ny fivavahana kristiana izay niitatra bebe kokoa nankany amin' ny tapany atsinanan' ny Empira romana. Matetika ireo mpanoratra ny tantaram-piangonana dia mandray ny ampahan' ny Fiangonana Lehibe tany atsinanana ho ny Fiangonana Lehibe manontolo. Nifarana tamin' ny taona 325 nanaovana ny Konsily voalohany tao Nikea io vanim-potoan' ny Fiangonana Lehibe io. Izany konsily izany no nanapahana ny fampianaram-pinoana izay lasa fampianarana ofisialin' ny fivavahana kristiana.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]