Aleksandria
31°12′06″N 29°54′57″E / 31.201760°N 29.915820°E

I Aleksandria dia tanàna ao Egipta. Tamin'ny taona 2010 dia nisy mponina miisa 4 300 000 tao. I Aleksandra Lehibe no nanorina azy tamin'ny taona 3231 tal. J.K. Tamin'ny Andro Taloha dia renivohi-pirenena izy, sady ivon'ny raharaham-barotra (seranan-tsambon'i Egipta) sady iray amin'ireo ivon'ny kolontsaina helenistika tao amin'ny Ranomasina Mediteranea noho ny fisian'ny trano fitehirizam-boky nisy tao aminy sady nampalaza azy. Atao hoe Ἀλεξάνδρεια / Alexándreia izy amin'ny teny grika fa الإسكندرية / Al-ʾIskandariyya kosa amin'ny teny arabo. Amin'ny teny arabo egiptiana izy dia atao hoe اسكندرية / Eskendereyya. Ankehitriny dia izy no tanàna faharoa lehibe indrindra ao Egipta aorian'i Kairo.
Ny tanànan'i Aleksandria dia ao andrefan'ny fivarinan'i Nily any an-dranomasina, eo anelanelan'ny farihy Mareotis sy ny nosy Pharos. Ity nosy ity dia nifandray amin'ilay tanàna tamin'ny alalan'i Heptastadio (grika: Ὲπταστάδιον / Heptastadion), karazana fefiloha sy fantson-drano, nahafahana nanao fanitarana ny tanàna sy ny fanorenana serana-tsambo roa.
Aleksandria | ||
Velarantany | NC | |
Isam-ponina | 3 811 516 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | ![]() | |
Faritany | Aleksandria | |
Faritra | NC |
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Ny isam-ponina dia 3811516 mponina tamin'ny taona 2017.[1]
Toe-tany[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
- Ejipta
- Aleksandria