Safidy malalaka

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny safidy malalaka na sitrapo malalaka dia fahafahan'ny sain'ny olombelona hanao asa na tsy hana nefa tsy teren'ny anton-javatra ivelany, toy ny zavatra tsy maintsy manery na ny fifaritan'ny zavatra hiseho mialoha. Ny hoe safidy malalaka dia midika fahalalahan'ny zavatra atao izay raisina amin'ny fifandraisan'ny amin'ny anton-javatra sy ny voka-javatra, indrindra ao amin'ny taranja filozofia, toy ny metafizika sy ny etika ary ny teolojia. Ny lohahevitra ivon'ny ady hevitra momba ny safidy malalaka dia ny fahafantarana raha manatanteraka fihetsika na asa na fanapahan-kevitra amin-kalalahana ny olombelona na raha faritan'ny zavatra ivelan'ny sitrapony, toy ny fiarahamonina sy ny fahafahana ara-batana, na singa ara-tsaina toy ny fitiavana sy ny faniriana, ny asa sy fihetsiky ary fanapahan-kevitry ny olona izany.