Sora-tanam-piraketana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny sora-tanam-piraketana dia soratra nataon-tanana amin'ny zavatra malemy toy ny papiry, ny hoditra na ny taratasy. Tsy isan'ireo atao hoe "sora-tanam-piraketana" ireo soratra apetaka amin'ny fanoratana mafy toy ny tanimanga fanoratana na ny vato. Mety penina na pensily hazo na volom-borona fanoratana na zavatra hafa no anoratana. Talohan'ny namoronana ny fanontam-pirinty (taonjato faha-15) no nampiasana betsaka ny sora-tanam-piraketana ka ny boky nivoaka tamin'izany dia tamin'ny sora-tanana avokoa. Ny sora-tanam-piraketana dia mety soratra nataon'ny mpamorona ilay lahatsoratra na nataon'ny mpanao dika mitovy. Taty aorian'ny namoronana ny fanontam-pirinty dia mbola maro ny mampiasa sora-tanana izay ampiasaina amin'ny lahatsoratra tsy natokana ho an'ny olona marobe na amin'ny soratra fanomanana (fandraisana an-tsoratra haingana, vakiraoka, sns).