Toekaren' i Israely

Avy amin'i Wikipedia
I Ramat Gan, tanànan' ny fandraharahana, ivon-toerana indostrialin' ny diamondra.

Ny toekarena israeliana dia mifototra amin' ny rafitra kapitalista môderina ao amin' ny firenena tanora izay miavaka amin' ny sehatra ara-panjakana midadasika sy ny sehatry ny teknôlôjia avo lenta izay mitombo haingana. Ny orinasa israeliana, indrindra amin' ity sehatra ity, dia tena be mpitia eo amin' ny tsenam-bola maneran-tany: i Israely no firenena faharoa amin' ny isan' ny orinasa voatanisa ao amin' ny National Association of Securities Dealers Automated Quotations (NASDAQ), aorian' i Etazonia. Tamin' ny taona 2010 dia niditra tamin' ny fomba ôfisialy tao amin' ny Organisation de coopération et de développement économiques (OCDE) na Organisation for Economic Co-operation and Development (OECD) i Israely. Fanampin' izany, izy no firenena eran' izao tontolo izao manana isanjaton' ny injeniera ambony indrindra amin' ny mponina miasa.

Tamin' ny taona 2006 dia nahatratra 140 000 tapitrisa dôlara ny harin-karena faoben' i Israely, izany hoe 19 926,9 dôlara isan' olona. Tamin' ny taompolo 1970 sy 1980 dia nisedra ny fidangan' ny vidim-piainana mihazakazaka ny toekaren' i Israely sady nitontongana nandritra izany fotoana izany ny mizanam-pandoavam-bola. Vola be dia be no natokana ho an' ny fiarovam-pirenena sy ny fampidirana ny mpifindra monina vaovao, indrindra  ireo avy any Rosia (miisa 700 000 nanomboka tamin' ny taona 1986), ao amin' ny fiarahamonina israeliana. Taorian' ny taona 1990 dia nihasalama ny toekarena israeliana: na dia ambony aza ny fisondrotry ny vidim-piainana dia nihena (2,30 % tamin' ny taona 2006), ary nitoetra maharitra ny fisodrotry ny toekarena (5,1 % isan-taona ny salany tamin' ny taona 2006). Taorian' ny tahan-tombo 6,4 % tamin' ny taona 2000 dia nitambotsotra 0,5 % ny toekarena israeliana tamin' ny taona 2001, tao anaty toe-draharaha nisongadinan' ny fiverenan' ny fifanandrenana tamin' ny Palestiniana. Ny tsy fananana asa, izay namely mafy ny vahoaka arabo sy nahazo ny 10,7 % amin' ny mponina afaka miasa tamin' ny taona 2003, dia nitombo roa heny nanomboka tamin' ny taona 1996.

Ny Histadrut no fikambanana sendikaly lehibe indrindra any Israely. Izy ihany koa dia anisan' ny mpampiasa lehibe indrindra izay ahitana tambajotran' orinasa ara-barotra sy ara-taozavatra ao amin' ilay firenena. Ny servisy no sehatra ara-toekarena lehibe indrindra: tamin' ny taona 2005 dia nahatratra 75 % amin' ny mponina afaka miasa no nivelona amin' ity sehatra izay niantoka ny 50 % amin' ny harin-karena faobe ity.

Fambolena sy fiompiana ary jono[hanova | hanova ny fango]

Ankapobeny[hanova | hanova ny fango]

Tsy nitsaha-nihena ny anjara toeran' ny fambolena sy fiompiana eo amin' ny toekarena israeliana, izay ahitana taratra ny dingam-pandrosoana tratran' ilay firenena. Tamin' ny taona 2005 dia 2 % amin' ny mponina afaka miasa no nivelona amin' io seha-pihariana io. Ny fambolena sy fiompiana israeliana, na dia eo aza ny zava-misy momba ny toetany sy ny tsy fahampian’ ny rano, dia afaka niantoka ny 3/4 amin’ ny filana anatiny, vokatry ny fomba fiasa ara-tsiansa sy ny sehatry ny hairaha (teknôlôjia) avo lenta.

Fambolena[hanova | hanova ny fango]

Foto-boasary ao amin' ny kibbutz Ein Hahoresh

Nanomboka amin’ ny taona 1948, ny velaran-tany fambolena dia nitombo telo heny, indrindra vokatry ny asa fitarihan-drano. Ikambanana ny fananan-tany, ny tany dia fananan' ny fikambanana izay ahitana ny Tahirim-Bolam-Pirenena Jiosy. Amin' ny toeram-pambolena sy fiompiana lehibe iombionana (kibbutzim) dia mifampizara amin’ ny fomba tsy miangatra ny asa sy ny tombontsoa ny mpiasa. Ny moshavim dia kôperativam-pamokarana. Avo dia avo ny tamberim-bokatra. Ny famokarana avy amin' ny fambolena dia ahitana ny voasary (950 000 taonina), ny legioma, ny ovy, ny varimbazaha ary ny zavôka. Aondrana ny voasary sy ny voankazo hafa.

Fiompiana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2006 dia nahatratra 398 000 ny omby, 445 000 ny ondry, 87 000 ny osy ary 42,7 tapitrisa ny akoho amam-borona.

Jono[hanova | hanova ny fango]

Ny vokatry ny jono isan-taona dia mahatratra 26 555 taonina, anatin' izany ny trondron-dranomamy ompina anaty dobo izay miantoka ny antsasaky ny vokatra.  

Harena an-kibon' ny tany sy taozava-baventy[hanova | hanova ny fango]

Harena an-kibon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Ny loharanon-karena ara-taozavatra momba ny harena an-kibon' ny tany any Israely dia ny pôtasy sy ny fôsfaty (900 000 taonina). Ankoatr' izany, i Israely dia mitrandraka brôma sy maneziôma ary akora mineraly hafa izay trandrahina avy amin’ ny tahirin-tsira voajanahary ao amin' ny Ranomasina Maty. Ny fitrandrahana ny vatovandana (na marbra) sy ny vatorano (na granita) dia miantoka ny filana anatiny ao amin' ny sehatry ny fanorenana. Ny famokarana solitany tsy voadio dia zara raha mahantoka  ny 1 % amin' ny fanjifana anatiny.

Taozavatra[hanova | hanova ny fango]

Ny indostria dia mampiasa 21,7 % amin' ny mponina afaka miasa. Saika ny 30 % amin' ny famokarana taozavatra no iantohan' ny orinasa ho an' ny sehatra ara-panjakana na ho an' ny sehatra sôsialy. Ny seha-pihariana lehibe dia ny famokarana milina, fitaovam-pitaterana, ny fanodinana sakafo, ny fanenoman-damba ary ny famokarana akora ilaina amin' ny fanorenana. Nanomboka tamin' ny taompolo 1980 ny indostria israeliana dia tao amin' ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny infôrmatika ary ny biôteknôlôjia.

Ny herinaratra dia saika novokarina manontolo amin' ny alalan' ny solitany. Ny fanorenana vaovao rehetra dia nahitana fitaovana famanàn-drano amin' ny masoandro.

Fifanakalozana[hanova | hanova ny fango]

Vola[hanova | hanova ny fango]

Ny vola ampiasaina any Israely dia ny shekel izay mizara ho 100 agorot (ny shekel iray dia nitentina 0,179 euro tamin' ny Febroary 2005). Ny Banky Foiben' i Israely no mamoaka ny vola ary izy no hany bankin' ny governemanta.

Varotra[hanova | hanova ny fango]

Ny mizanan' ny varotra ivelany dia nitontongana. Manafatra fitaovana ho an' ny miaramila, vokatra solitany, milina, vokatra simika ary vokatra momba ny sakafo mantsy i Israely. Manondrana diamondra voasa, vokatra simika, voasary, lamba, ary vokatry ny taozavatra koa ilay firenena.

Ny mpiara-miombona antoka ara-barotra lehibe amin' i Israely dia i Etazonia, i Alemaina, i Britaina Lehibe, i Japàna, i Soisa ary i Hong Kong. Ampahany be amin' ny vola vahiny no azo amin' ny alalan' ny fizahan-tany sy avy amin' ny fandefasam-bola avy amin' ny vondrom-piarahamonina jiosy any ivelany, indrindra avy any Etazonia. I Israely koa dia mahazo fanampiana avy amin' i Etazonia (3 000 tapitrisa dôlara isan-taona).

Fitaterana[hanova | hanova ny fango]

I Haifa, ny seranan-tsambon' i Ashdod ary i Eilat, ao amin' ny Hoalan' i Aqaba, no seranan-tsambo lehibe ao amin' ilay firenena.

Ny fanjakana no mitantana ny lalamby izay mirefy 899 km. Mirefy 17 446 km ny tambajotran' arabe. Ny sidina iraisam-pirenena dia iantohan' ny kômpaniam-pirenena El Al sy ny kômpaniam-pitaterana ana habakabaka maro hafa iraisam-pirenena, fa ny sidina anatiny kosa dia iantohan' ny kômpania Arkia. Ny seranam-piaramanidina Ben-Gurion ao Tel-Aviv-Jaffa no seranam-piaramanidina lehibe indrindra any Israely.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]