Fifandraisan-davitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifandraisan-davitra (amin'ny teny frantsay : télécommunication) dia voafaritra amin'ny fampitana fampahalalana amin'ny alalan'ny fitaovana elektrônika ary informatika.

Ny anisan'ny nampandroso ny fifandraisan-davitra dia i Antonio Meucci, A. Graham Bell ho an'ny telefaonina na i Guglielmo Marconi ho an'ny fifandraisan-davitra tsy misy tariby. Amin'izao fotoana, ny fifandraisan-davitra dia mikasika ny fitaovana elektrônika ampairahana amin'ny tambajotra analôjika na niomerika toa ny telefaonina na ny finday, ny radiô, ny televiziôna na ny solosaina.

Famaritana[hanova | hanova ny fango]

Ny fifandraisan-davitra dia mikasika ny fampitàna ny fampahalalana — izay mety ho feo, sary na soratra — avy lavitra, na amin'ny alalan'ny fampiasana aratra (fiovaovan'ny zitina ary ny rio), taratra elektrômanetika (radiô), na hazavana (amin'ny alalan'ny fampiasana tariby mampita hazavana).

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.