Telefaonina

Avy amin'i Wikipedia
Telefaonina

Ny telefaonina (na telefaona) dia fitaovana ampiasaina amin'ny fifandraisan-davitra izay noforonin'ny olom-pirenena amerikanina A. Graham Bell tamin'ny 1876. Ny telefaonina dia mampita ny feon'olombelona amin'ny alalan'ny fiovaovan'ny zitina na ny rio anaty mpampita aratra (tariby).

Mba hahafahana mampiasa ilay telefaonina dia ilaina ny fotodrafitr'asa izay antsoina hoe "tambajotra telefaonika" izay mety tariby na antenina. Io fotodrafitr'asa io dia hofaina amin'ny alalan'ny famandrihana (abonnement) amin'ny orinasa fifandraisan-davitra.

Mba hahafahana mampisongadina ny olona antsoina amin'ny olona rehetra izay manana telefaonina ao amin'ny tambajotra manontolo, dia nomena laharana antso an-tariby (karazana adiresy) ireo telefaonina ireo. Ka rehefa tia hiantso telefaonina an'ny olona iray dia atsofoka iny laharana iny eo amin'ilay telefaonina, ary rehefa tafatsofoka ilay laharana dia maneno ny telefaonin'ilay olona antsoina, ary rehefa raisiny ilay telefaonina dia afaka mifandray ilay olona antsoina ary ilay olona miantso.

Misy vidiny daholo ireo antso an-tariby rehetra ireo afatsy ny antso hamonjena izay manana laharana manokana ary matetika fohy. Ka noho izay vidy izay dia tsena lehibe amin'ny fifandraisan-davitra ny telefaonina.

Fiasa[hanova | hanova ny fango]

Sarisary manazava ny telefaonina tariby

Ny telefaonina farany izay tsotra dia mampita ny feo amin'ny alalan'ny fiovaovan'ny zitina/rio izay mikoriana anaty tariby varahina roa aolanolana.

Ny telefaonina izay ampiasaina amin'ny fiainana mandavanandro izay mampiasa tariby dia manana klavie hanatsofohana ny laharana, mikrô izay mamadika ny feo ho rio/zitina ary ny famoaham-peo izay mamadika ny fiovaovan'ny zitina/rio ho feo. Ny feo izay navadika ho rio na zitina dia ampitaina amin'ny alalan'ny tariby roa miolanolana izay tsy fifanosonana arak'anjanandrianaratra. Ny zitina ananan'ny tariby dia zitina miiba raha ampitahaina amin'ny tany, mba hamehy ny fikikisana (corrosion galvanique).

Teknolojia mikendry ny fampitana feo, nomerika ary voahidy amin'ny fampiasana fomba nomerika amin'ny alàlan'ny tambajotra miorina amin'ny teknolojia ip. Ohatra, amin'ny Internet.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.