Fitarihan-drano

Avy amin'i Wikipedia
Lakandrano fitarihan-drano any Anatôlia

Ny fitarihan-drano na ny idi-drano dia ny fampandehanana rano ataon' olombelona ho an' ny zavamaniry ambolena mba hampitomboana ny vokatra sy hahatonga ny fivoaran' ny zavamaniry ara-dalàna, raha misy ny tsy fahampian' ny rano vokatry ny tsy fahampian' ny rotsak' orana, ny fanarian-drano tafahoatra na ny fihenan' ny rano anaty tany, indrindra amin' ny faritra maina.

Amin' ny ankapobeny dia mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "fanondrahana" ho an' ny faritra kely (fambolena an-jaridaina) ka mahatonga ny teny hoe "fitarihan-drano" lasa atokana ho an' ny faritra midadasika kokoa (fambolena an-tsaha), saingy tsy misy fenitra anavahana izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  • Fambolena