Fidangan' ny vidim-piainana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny fisondrotry ny vidim-piainana dia fisondrotan' ny vidin' ny entana sy servisy amin' ny toekarena ankapobeny sady maharitra. Rehefa miakatra ny vidin-javatra amin’ ny ankapobeny dia vitsy kokoa ny entana sy serivisy azo vidina amin’ ny ventim-bola tsirairay; noho izany, ny fisondrotry ny vidim-piainana dia mifandray amin' ny fihenan’ ny fahefa-mividin’ ny vola. Ny mifanohitra amin' ny fisondrotry ny vidim-piainana dia ny fihenan’ ny vidim-piainana, fihenam-bidy maharitra amin' ny vidin' ny entana sy serivisy amin' ny ankapobeny. Ny fandrefesana ny fisondrotry ny vidim-piainana dia ny tahan' ny fisondrotry ny vidim-piainana, izay isanjaton’ ny fiovana anatin’ ny taona amin' ny tondrom-bidy ankapobeny.

Mitranga ny fisondrotry ny vidim-piainana rehefa misy ny tsindry ara-toekarena sy ny fiandrasana mialoha ny fisehoan-javatra sasany ka mahatonga ny tinady momba ny entana sy ny servisy hiakatra mihoatra ny tolotra misy amin' ny vidiny efa misy, na rehefa mihena ny vokatra noho ny tsy fahombiazan' ny fahafaha-mamokatra na ny fanerena rehetra eo amin' ny tsena. Raha kely dia kely na tsy misy ny fisondrotry ny vidim-piainana dia marin-toerana ny vidin-javatra amn' ny ankapobeny.