Pôtasy (akora mineraly)
Fiseho

Ny pôtasy dia akora mineraly masira vokatry ny fietonana, ahitana indrindra klôriora-na pôtasiôma ho taharony, ampiasaina hahazoana akora ampiasana pôtasiôma ary koa amin' ny fanamboarana zazika. Azo alaina betsaka avy amin' ny ranon-dranomasina koa izy. Vitsy ny tahiry pôtasy nefa matetika izy ireo dia trandrahina amin' ny fomba mavitrika maneran-tany.
Ny mpamokatra lehibe indrindra eran-tany tamin' ny taona 2014 dia ireto:
| Firenena | Tapitrisa taonina | % maneran-tany | |
|---|---|---|---|
| 1 | Kanada | 11,0 | 28,4 % |
| 2 | Rosia | 7,38 | 19 % |
| 3 | Bielôrosia | 6,29 | 16,2 % |
| 4 | Sina | 4,4 | 11,3 % |
| 5 | Alemaina | 3,0 | 7,7 % |
| 6 | Israely | 1,77 | 4,6 % |
| 7 | Jôrdania | 1,26 | 3,2 % |
| 8 | Silia | 1,2 | 3,1 % |
| 9 | Etazonia | 0,85 | 2,2 % |
| 10 | Espaina | 0,715 | 1,8 % |
| 11 | Fanjakana Mitambatra | 0,61 | 1,6 % |
| 12 | Brezila | 0,311 | 0,8 % |
| Fitambarany maneran-tany | 38,8 | 99,9 % | |