Hankany amin'ny vontoatiny

Zavôka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Zavoka)
Zavôka

Ny zavôka dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Lauraceae. Misy voany azo hanina ity zavamaniry ity. Any Meksika sy Amerika Afovoany no fiaviany. Volena indrindra mba hahazoana voany, izay ahitana lipida maro, ny zavôka. Persea americana ny anarany ara-tsiansa.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]

Hazo salantsalany izay manana haavo mahatratra 20 m ny hazo zavôka. Na izany aza, amin' ny ankapobeny dia manodidina ny 10 m ny haavony. Mivelatra sy makitroka ny tampony. Rakotra hodiny mivolondaveniona sy mitresatresaka ny vatany.

Ravin' ny zavôka

Ny raviny dia mifandimby, salavalava, feno, misy sisiny malama, ary ny tendrony mifilofilo. Manana halavany mirefy 20-30 sm sy sakany 10-15 sm ireo ravina ireo, sy fotony maranitra. Maitso antitra sy manjelatra ny tavany ambany, maitso mavana ny tsirakatsiraka, ary matroka ny tavany ambony. Ny raviny mbola kely dia somary volomparasy sy misy volovolo. Manana lalava 3-5 sm ny tangozan-dravina. Mihintsana isan-taona ny ravina rehefa avy namorona ny raviny vaovao ilay hazo; noho izany dia mijanona ho maitso lalandava ny ilay hazo.

Vondrom-bonin' ny zavôka
Vonin' ny zavôka

Sady lahy no vavy voniny ary mirefy 5 hatramin' ny 10 mm. Misy karazany roa ny vondrom-boniny: voafaritra sy tsy voafaritra. Amin' ny vondrom-bony voafaritra, ny tendron' ny tsimoka izay mitondra ny voninkazo dia miafara amin' ny voninkazo. Ny vondrom-bony tsy voafaritra dia miafara amin' ny zanaka zavamaniry. Ny hazo zavôka dia afaka mamokatra voniny maherin' ny iray tapitrisa, nefa voniny iray ao anatin' ny 1 000 ihany no ho lasa voa.

Voan' ny zavôka

Ny voan' ny zavôka dia miendrika poara na atody na boribory, manana halava 7 hatramin' ny 20 sm, sy milanja 100 hatramin' ny 1 000 g. Ny zavokà voan' ny zavôka dia misy vihy tokana. Izy io dia manana vihy lehibe, miendrika atody izay manana halava 3 hatramn' ny 5 sm.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]