Teheran

Avy amin'i Wikipedia

35°41′46″N 51°25′23″E / 35.696111°N 51.42305°E / 35.696111; 51.42305

Teheran
Velarantany 730 km2
Isam-ponina 12 223 598 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Mohammad-Bagher Ghalibaf
Firenena  Iran
Faritany Teheran
Faritra NC
Teheran

I Teheran na Tehran (amin' ny fiteny persana تهران‎ Tehrān) no renivohitr' i Iràna ary renivohitry ny faritanin' i Teheran. Ny isan' ny mponiny dia 12,23 tapitrisa. I Teheran no tanàna lehibe indrindra ao Iràna sy ao Azia Andrefana. Izy no tanàna fahadimy lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. Ny fiteny persana no teny nibeazan' ny 98 % n' ny mponina ao Teheran[1]. Ray no anaran' i Teheran talohan' ny nahatongavan' ny fivavahana silamo.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Toerana misy azy sy ny zava-misy ao aminy[hanova | hanova ny fango]

Shemiran
Sarintanin' i Teheran

Miorina eo amin' ny lembalemba be fasika, amin' ny haavo eo eo anelanelan' ny 1 200 m sy 1 700 m, eo anelanelan' ny renirano Jajrud sy Karaj ny tanànan' i Teheran izay maka ny endriny ankehitriny avy amin' ny vanim-potoana nitondran' ny Pahlavi, indrindra fa teo anelanelan' ny taona 1925 sy 1940. Any avaratry ny tanàna, eo am-pototr' i Alborz, no misy ny vakin-tanànan' i Shemiran.

Vao tsy ela no niaina fivoarana haingana i Teheran. Ity fiitaran' ny tanàna ity dia mahakasika manokana ny faritra avaratra amin’ ilay tanàna, izay nahitana vakin-tanàna (nāhiyeh) vaovao eo anelanelan' ny tanànan' i Teheran sy i Shemiran. Ny atsimo amin' ilay tanàna dia misy ireo vakin-tanàna tranainy indrindra, sady mahantra indrindra. Ao no misy ny ankamaroan' ny orinasan’ ilay tanàna. Misy sisa tavela amin’ ny bazary lehibe, izay voasolon’ ny trano fivarotana, ny ao.

Raha mianatsimo dia ao i Aliabad, toeram-pialàn-tsasatry ny ayatollah Ruhollah Khomeini sy koa ny sisam-paharavana tamin' i Rhages tanàna fahiny, toerana nahaterahan' ny kalifa Haroun al-Rashid, sy i Ray, izay misy ny fanadiovan-tsolitany ankehitriny. Eo afovoan-tanàna ny Kianja Sepah sy Firdowsi; saika ny tranom-panjakana rehetra sy ny môskea maro ary ny lapa maromaro no mivondrona ao amin’ io faritra io.

Any atsimon' ny Kianja Sepah no misy ny lapa sy ny tranombakokan' i Golestan (ny "Lapan' ny Raozy" izay nametrahana tamin' ny shah farany ny satroboninahitra tamin' ny taona 1967), izay misy harena persiana. Malaza koa ny tranombakoka Bastan, izay ahitana zavatra nofongarina tao an-toerana an' i Persia fahiny.

Ny tanànan' i Teheran koa dia misy toeram-pampianarana ambony maromaro, anisan'izany ny Oniversiten’ i Teheran (niorina tamin’ ny 1932) sy ny Oniversite Shahid Beheshti (niorina tamin’ ny 1959). Tery vokatry ny firohotan' ny mponina tsy an-kijanona i Teheran izay mijaly koa noho ny fahalotoan' ny rivotra, noho ny hamaroan' ny fifamoivoizan’ ny fiara sy ny elanen-kafana be loatra.

Toetany[hanova | hanova ny fango]

Ny toetanin' i Teheran dia maina sady toetanin-tanibe (toetany araka ny fanasokajian' i Köppen ny toetany : BSk). Ny tena mamaritra ny toetanin' i Teheran dia ny toerana misy azy ara-jeôgrafia, any avarany dia ahitana ny tendrombohitra Alborz ary ny atsimony dia ahitana taniefitra. Ao Teheran dia antonontonony ny lohataona sy ny fararano, mafana ary maina ny fahavaratra, ary mangatsiaka ny ririnina. Na dia antonontonony kokoa noho ny toetanin' ny faritra hafa ao Iràna aza ny toetanin' i Teheran, dia tsindraindray mety tonga hatrany amin' ny 43 °C ny maripana amin' ny volana mafana ary mety tafidina hatrany amin' ny -15 °C ny maripana amin' ny volana mangatsiaka.

Fampahalalana mikasika ny toe-tanin'i Teheran
Volana Jan Feb Mar Apr Mey Jio Jol Aog Sep Okt Nov Des Taona
Ambony indrindra °C (°F) 19.6 23
(73)
28
(82)
32.4 37
(99)
41
(106)
43
(109)
42
(108)
38
(100)
33.4 26
(79)
21
(70)
43
(109)
Elanelana avo °C (°F) 7.9 10.4 15.4 22.1 27.9 33.9 36.6 35.6 31.6 24.4 16.2 10
(50)
22,7
Antonotonony
ambany °C (°F)
−1
(30)
1
(34)
5
(41)
12
(54)
16
(61)
22
(72)
26
(79)
24
(75)
21
(70)
14
(57)
7
(45)
2
(36)
12
(54)
Ambany indrindra °C (°F) −15
(5)
−13
(9)
−8
(18)
−4
(25)
2.4 5
(41)
14
(57)
13
(55)
9
(48)
2.8 −7
(19)
−13
(9)
−15
(5)
Latsak'orana mm (inches) 34.6
(1.362)
32.2
(1.268)
40.8
(1.606)
30.7
(1.209)
15.4
(0.606)
3
(0.12)
2.3
(0.091)
1.8
(0.071)
1.1
(0.043)
10.9
(0.429)
26
(1.02)
34
(1.34)
232,8
(9,165)
Ora isian'ny masoandro 166.6 172.7 210.9 267.0 287.8 348.2 366.4 351.4 327.4 278.6 147.4 141.2 3 065,6
Source: TEHRAN MEHRABAD weather summary (1951). I.R OF IRAN METEOROLOGICAL ORGANIZATION (IRIMO)

Toekarena[hanova | hanova ny fango]

Foibe ara-pôlitika sy ara-pitantanana sady renivohitra ara-toekarena any Iràna i Teheran. 45 % amin' ny indostria lehibe dia ao Teheran ary antsasak' ireo no miasa ho an' ny governemanta[2]. Noho ny pôlitikan' i Iràna amin' ireo firenena tandrefana dia vitsy ny orinasa vahiny ao Teheran.

Manam-pahaizana manokana amin' ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo, amin' ny landihazo, amin' ny fanenomana lamba, amin' ny asa simenitra ary amin' ny fanamboarana biriky ny indostria ao Teheran, izay mitrandraka solitany ihany koa. Na dia any Abadan sy any amin' ny toerana hafa aza no anavana ny fitrandrahana, dia ny orinasam-pirenena fitradrahana solitany miorina ao Teheran no manara-maso ny asa rehetra.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

I Teheran dia naka ny anarany avy amin' ny teny persiana fahiny hoe teh ("mafana") sy ran ("toerana"). Rehefa noravan' ny Môngôliana ny tanànan' i Ray fahiny tamin' ny taona 1220, i Teheran, tanàna kely izay mety niorina tamin' ny taonjato faha-4 tal. J.K., dia voavonjy. Naharitra ela ny fivoarany nandritra ny taonjato maro nanaraka. Tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-17 ilay tanàna dia nisy bazary iray voahodidin’ ny manda sy trano tokony ho telo arivo. I Agha Muhammad Shah, mpanorina ny tarana-mpanjaka Kajara (Qajar), no nifidy an' i Teheran ho renivohitr' i Persia tamin' ny taona 1788.

Nandritra ny fitondran' ny tarana-mpanjaka Pahlevi (1925-1979), dia naorina indray sy nohavaozina ary namboarina ilay tanàna. Na dia mbola misy môskea sy tranobe tamin' ny taonjato faha-19 aza ny ao, ny ankamaroany dia vao naorina haingana. Tamin' ny taona 1943 dia nampiantrano ny "Fihaonamben' i Teheran" ilay tanàna, izay nivorian’ ny "firenena mpiara-dia" lehibe (Alliés) telo tamin' ny Ady Lehibe Faharoa.

Amin' izao fotoana izao, tamin' ny fahazoan’ ny filoha Khatami ny fitondrana, izay mampihatra ny pôlitikan' ny fisokafana, dia mirona amin’ ny fahalalahana ilay tanàna. I Teheran, izay zara raha nanana toeram-pialam-boly hatramin' ny nandraisan' i Khomeini fahefana (1979), dia mandefitra ny fisian’ izy ireo any amin' ny vakin-tanàna sasany, indrindra fa ao Darake, any avaratry ny tanàna.

Zava-nitranga[hanova | hanova ny fango]

  • Natao tany Teheran ny Lalaon' i Azia fahafito izay nanomboka tamin' ny 1 Septambra hatramin' ny 16 Septambra 1974. Natao ho an' ilay lalao ilay "complexe sportif" Azadi.
  • I Iràna no nampiantrano ny ADC Asian Cup ny taona 1976.
  • Tany Teheran no nitrangan' ny Lalaon' i Azia Andrefana tamin' ny 10 hatramin' ny 28 Novambra 1997.

Tanàna namana[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. ((en)) Mareike Schuppe, "Coping with Growth in Tehran: Strategies of Development Regulation", GRIN Verlag, 2008. pp 13: "Besides Persian, there are Azeri, Armenian, Jewish and Afghani communities in Tehran. The vast majority of Tehran's residents are Persian-speaking (98.3%)"
  2. Anthony H. Cordesman (September 23, 2008). "The US, Israel, the Arab States and a Nuclear Iran. Part One: Iranian Nuclear Programs" (PDF). Center for Strategic and International Studies. Retrieved 2010-09-25.
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.