Aller au contenu

Lôndôna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny London)
I Lôndôna

I Lôndôna dia tanàna, renivohitr' i Angletera sy ny Fanjakana Mitambatra, ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ny Fanjakana Mitambatra sady tanàna ngeza indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra. Nandritry ny taonjato maro dia izy no renivohitry ny Empira Britanika, empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa roa arivo taona mahery io tanàna io no noforonin' ny Rômana. Raha ny isan' ny mponina no heverina dia efa betsaka ny ny tanàna lehibe ngeza noho izy. Amin' ny maha ivo ara-pôlitika azy dia renivohitry ny Commonwealth ny tanànan' i Lôndôna, hery ara-toekarena lehibe izy, noho ny maha ivontoerana ara-bola voalohany azy.

Ny ony Thames
Sainan' ny Fanjakana Mitambatra

I Lôndôna Lehibe (Greater London) dia misy mponina miisa 7 51 400, ny mponina ao Lôndôna dia atao hoe Lôndônianina. Ilay tanàn-dehibe manotolo dia misy mponina 8 278 251. Araka ny fepetra isan-karazany dia mety eo anelanelan' ny 12 sy 14 tapitrisa any ho any isan' ny mponina iharan' ny fomba fiainana ao Lôndôna. Any Eorôpa dia i Môskva (any Rosia), i Paris (any Frantsa) sy Istanbul (any Torkia) ihany no manana lanja ara-demôgrafia mitovy aminy.

Ny tanànan' i Lôndôna dia mihetsiketsika ary manana ny maha izy azy amin' ny lafiny kolontsaina. Manana anjara lehibe izy amin' ny taozavatra sy ny lamaody. Tanàna be mpizaha tany koa izy. 27 tapitrisa ny isan' ny mpizaha tany mandalo ao isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy ao anatin' ny haren-tsaina maneran-tany sady misy fanorenana mijoalajoala maromaro malaza eran-tany, toy ny Palace of Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Buckingham Palace, ny British Museum, ny National Gallery.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.