Pahlevy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Pahlevy dia tarana-mpaniaka izay, taorian' ny nanonganana ny Kajara, dia nanjaka tao Iràna tamin' ny taona 1925 hatramin' ny 1979; voatery natao sesitany i Muhammad Riza Shah andrimanjaka faharoa nanapaka tamin' ity taranka ity, taorian' ny fipoahan' ny Revôlisiôna Islamika.

Teraka tao amin’ ny tanàna be tendrombohitra akaikin’ ny Ranomasina Kaspiana i Riza Shah, ilay mpanorina ity tarana-mpanjaka ity, izay taranaky ny rainy avy amin’ ny fianakavian’ny fokon’ andriana madinika. Niditra tao amin' ny tafika izy, dia niakatra ny ambaratonga miaramila rehetra tao amin' ny antokon’ny Kôzaka, niakatra hatramin' ny laharan' ny kôlônely. Minisitry ny Ady tao amin' ny governemantan' i Sayyed Ziya al-Din izy tamin' ny taona1921, voatendry ho praiminisitra izy tamin' ny taona 1923, tamin’ ny naha lasa sesitany tany ivelany ny shah farany tamin' ny tarana-mpanjaka kajara, nefa tsy nametra-pialana.

Notarihin' ny fiarahamonin’ ireo mpandala ny nentim-paharazana sady natahotra ny fiverenan' i Ahmed Shah i Riza Shah, ka nisalotra ny satroboninahitry ny mpanjaka tamin' ny Desambra 1925, izany dia nanamafy ny maha ara-dalàna azy noho izy fidirany ao amin’ ny fifandimbiasan' ny shah persiana. Voatery nametra-pialana izy tamin' ny taona 1941 noho ny fanohanany ny tafika Axis, ary ny zanany lahy Muhammad Riza Shah no nandimby azy.

I Muhammad Riza Shah, izay nampihatra pôlitika nety tsara amin' ny fanovana ny fomban’ ny fireneny hitvy amin’ny an’ ny Tandrefana miaraka amin' ny fanohanan' i Etazonia, dia naongana tamin'ny taona 1979; nanambady voalohany ny andriambavy Fawzieh, anabavin' i Farouk I  mpanjakan’ i Ejipta izy nefa tamin' ny vadiny fahatelo, ny emperora vavy Farah Diba, no nananay ny zanany lahy, atao hoe Reza (teraka tamin' ny taona 1960), izay afaka mandova ny seza fiandrianana.