Aller au contenu

Harun al-Rashid

Avy amin'i Wikipedia
Harun al-Rashid
Ankapobeny
Anarana Harun al-Rashid
Teraka 17 Martsa 763
Maty 24 Martsa 809
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Iran
Asa :
Fiainana manokana

I Harun al-Rashid dia kalifa fahadimy (tamin’ ny taona 786 hatramin’ ny 809) avy amin' ny tarana-mpanjaka Abasida tao Bagdad. Teraka tamin' ny 17 Marsa 763 ary maty tamin' ny 24 Marsa 809 izy.

I Al-Mahdi no rainy. Ny vadiny dia i Zubaidah bint Ja`far. Ny zanany dia i Al-Amin, i Al-Ma'mun, i Al-Mu'tasim, ary i Al-Qasim ibn Harun al-Rashid. Ny rahalahiny dia i Al-Hadi.

Ny anarany dia midika ara-bakiteny hoe "Aarôna Ilay Marina". Zanakalahin' ny kalifa abasida fahatelo, Al-Mahdi, izy, izay nandimby ny rahalahiny Al-Hadi teo amin' ny seza fiandrianana rehefa maty ity rahalahiny ity. Ny fitondran' i Harun al-Rashid dia voamariky ny fivoarana ara-kolontsaina lehibe.

Hatramin' ny taona 803 dia nampiandraiketina an' i Yahya ibn Khalid (maty tokony tamin’ ny taona 803), viziry lehibe na mpanolo-tsain’ ny fanjakana, sady lohan' ny fianakavian’ ny  Barmakida. I Bagdad, renivohitry ny fanjakan' i Harun al-Rashid, no lasa tanàna nanankarena indrindra tamin' izany fotoana izany, ary ny haren' ny kalifata dia natao ho an' ny fandaniana be tsy dia ilaina. Mpanjaka maro no nandoa hetra amin’ ny kalifa ary trano mirentirenty sy lafo vidy maro no naorina ho fanomezam-boninahitra azy.

Voalaza fa nifanakalo fanomezana tamin’ i Charlemagne izy. I Harun al-Rashid no mpiahy malala-tanana ny manam-pahaizana sy ny pôeta ary ny mpitendry zavamaneno, ary ny olo-malaza mozilmana tamin' izany fotoana izany dia noraisina teo amin' ny lapany. Izy no mahery fo resahina ao amin' ny hira sy angano maro dia maro. Malaza any Andrefana amin' ny maha kalifa nanana lapa voalaza ao amin' ny Anganon’ ny Alina Iraika amby Arivo izy.

Teo anelanelan’ ny taona 791 sy 809, ny empiran' i Harun al-Rashid dia niady amin' ny Empitra Bizantina ary tamin' ny taona 807 dia nibodo ny faritany bizantinan’ i Kiprôsy ny tafiny. Tamin' ny fiafaran' ny fitondrany dia nisy ny soso-kevitra natolotra an' i Harun al-Rashid mba hanesorana ny Barmakida, ary tamin' ny taona 803 dia nogadrainy ny viziry lehibe. Ny kalifa dia maty tamin’ ny diabe fanafihana natao handravana ny fikomiana tany atsinanan' ilay fanjakana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.