Alahasaty
Ny Alahasaty no vintana fahadimy amin' ny fanandroana malagasy. Ny Asorotany no eo alohany ary ny Asombola no manaraka azy. Ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[1]. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty.
Fiavian' ilay anarana
[hanova | hanova ny fango]Fiavian' ilay anarana
[hanova | hanova ny fango]Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe اأسد / Al-Asad ("liona") ny hoe Alahasaty. Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia tononina hoe Alahasady koa io teny io. Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Leo na amin' ny teny frantsay hoe Lion ny hoe Alahasaty. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Asadi na Simba io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Asad na Singa ihany koa izy.
Ny antokon-kintana Liona sy ny zôdiaka
[hanova | hanova ny fango]Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Liona dia manomboka amin' ny 10 Aogositra ka miafara amin' ny 16 Septambra. Ny fari-potoan' ny Liona araka ny zôdiakan-kintana dia hatramin' ny 16 Aogositra ka hatramin' ny 15 Septambra. Ny Liona ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Jolay ka miafara amin' ny 22 Septambra. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.
Foza na Asorotany | Liona na Alahasaty | Virijiny na Asombola | |
Antokon-kintana | 20 Jolay - 10 Aogositra | 10 Aogositra - 16 Septambra | 16 Septambra - 30 Oktobra |
Zôdiakan-kintana | 16 Jolay - 15 Aogositra | 16 Aogositra - 15 Septambra | 16 Septambra - 15 Oktobra |
Zôdiaka mikisaka | 22 Jona - 22 Jolay | 23 Jolay - 22 Aogositra | 23 Aogositra - 22 Septambra |
Ny vintana Alahasaty
[hanova | hanova ny fango]Toerany
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahadimy koa ny Alahasaty ka ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Zanabintana ny Alahasaty. Mifandratra amin' ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty. Trotroin' ny renivintana Asorotany ny zanabintana Alahasaty. Mitondra tonon' andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Alahasaty (na vavan' Alahasaty) sy ny vody Alahasaty (vodin' Alahasaty).
Fombany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny finoan-drazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty.
Vava Alahasaty
[hanova | hanova ny fango]Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tononandro tsara anandratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa.
Vody Alahasaty
[hanova | hanova ny fango]Ny olona teraka vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tononandro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty.
Ny volana Alahasaty
[hanova | hanova ny fango]Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alahasaty ho volana fahadimy amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).
Manomboka amin' ny vava Alahasaty ka miafara amin' ny vody Asorotany ny volana Alahasaty raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Asorotany dia miafara amin' ny vava Alahasaty ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alahasaty io dia mifarana amin' ny vody Alahasaty ny volana izay misy 30 andro.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
- Alahamady - Adaoro - Adizaoza - Asorotany - Alahasaty - Asombola - Adimizana - Alakarabo - Alakaosy - Adijady - Adalo - Alohotsy
Evan' ny zôdiaka:
- Ondrilahy - Ombilahy - Kambana - Foza - Liona - Virijiny - Mizana - Maingoka - Mpitifitra Tsipìka - Tandrok' Osy - Mpitondra Rano - Hazandrano
Antokon-kintan' ny zôdiaka:
- Ondrilahy - Ombilahy - Kambana - Foza - Liona - Virijiny - Mizana - Maingoka - Bibilava - Mpitifitra Tsipìka - Tandrok' Osy - Mpitondra Rano - Hazandrano
Tetiandro