Hankany amin'ny vontoatiny

Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia

Ny atsinanana dia iray amin' ny vazan-tany efatra sy ny lafin-trany valo. Mifanohitra amin' ny andrefana ny atsinanana ary mifampijadona amin' ny avaratra sy ny atsimo. Ny faritra iposahan' ny masoandro no atsinanana. Raha mitodika miantsinana dia any ankavia no misy ny avaratra fa any ankavanana no misy ny atsimo. Misy fomba hafa koa ahafahana mamantatra ny vazan-tany, anisan' izany ny atsinanana, dia ny fijerena ny kintana sy ny antokon-kintana. Ny tondroavaratra no fitaovana ampiasaina mba hamantarana izany.

Ny teny ilazana ny vazan-tany, anisan' izany ny atsinanana, ampiasaina ho anarana na ho mpamari-toetra, dia soratana manomboka amin' ny sora-baventy rehefa tafiditra ao anatin' ny anaran-tsamirery milaza toerana na manondro faritra ara-jeôgrafia, fa manomboka amin' ny sora-madinika raha manondro zotra na todika.

Kolontsain

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao masoandro avy atsinanana, ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana, ka izay mivoha tsidihina avokoa.
  • Rivotra avy atsinanana aho, ka tsy azo tohaina.
  • Toy ny hazo kely atsinanan' Angavo: indray mietry, indray misavoana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]