Filazantsaran' i Jodasy
Ny Filazantsaran' i Jodasy na Evanjelin' i Jodasy dia asasoratra natao tokony ho tamin' ny taonjato faharoa. Tsy hita ao amin' ny Baiboly izany asasoratra izany ka anisan' ireo atao hoe Filazantsara apôkrifa. Tao amin' ny fikambanan' olona efa kristiana nefa nanana firehana gnôstika no nipoirany. Tamin' ny taona 1978 no nahitana io asasoratra io amin' ny teny kôpta ka ny pejy faha-33 hatramin' ny faha-50 ao amin' ilay boky ihany no sisa tavela amin' izao noho ny fahasimbany.

Manamarina ny famadihana nataon' i Jodasy an' i Jesoa ny mpanoratra an' ilay filazantsara satria nahazo hafatra avy amin' i Jesoa hono i Jodasy hoe: "Ianao no hanao sorona ny olombelona izay itafiako". Araka io filazantsara io dia i Jodasy no iray tamin' ny Apôstôly roa ambin' ny folo nahatakatra ny zavatra tian' i Jesoa hatao teto ambonin' ny tany araka ny fikendren' Andriamanitra, dia ny fisamborana sy ny famonoana an' i Jesoa.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Filazantsara apôkrifa (ohatra):
- Filazantsaran' i Nikôdemôsy
- Filazantsaran' i Tômasy
- Filazantsara arabon' i Joany
- Filazantsara arabon' ny Fahazazana
- Filazantsaran armeneanan' ny Fahazazana
- Filazantsaran' i Barnabà
- Filazantsaran' i Gamaliela
- Filazantsara apôkrifan' i Joany
- Filazantsaran' i Jakôba
- Filazantsaran' i Jodasy
- Filazantsaran' i Maria
- Filazantsara araka an' i Filipo
- Filazantsaran' i Petera
- Filazantsaran' i Pseodô-Matio
- Filazantsara miafin' i Marka