Fandikan-teny
Ny fandikan-teny dia ny fampitana ny hevitra entin’ny hafatra iray nosoratana tamin’ny fiteny iray amin’ny fiteny iray hafa. Ny fandikan-teny dia mety atao na am-bava na an-tsoratra.
Noho ny fangatahan’ny raharaham-barotra iraisam-pirenena nanomboka tamin’ny revolisiona indostrialy izay nanomboka tamin’ny taonjato faha-18 dia nanomboka niforona ny asan'ny mpandika teny miaraka amin’ny fianarana sy orinasa fandikan-teny.
Noho ny asa lehibe takian’ny fandikan-teny dia nanomboka nitady fomba hanaovana fandikan-teny hoazy ny injeniera – izay fantatra amin’ny anarana hoe fandikan-teny ataon'ny milina – na fanampiana ny mpandika teny hanao ny asany. Nahamaro ny mpandika teny ataon'ny milina ny fisehon'ny Aterineto, ary nahamora ihany koa ny fifandraisan'ny mpanjifa sy ny mpandika teny matihanina izany.